Rehefa misy ny disadisa eo amin'ny fiaraha-monina dia ilaina ny fivoriana sy ny fanaovana jery todika mba hahitana ny marimaritra iraisana. Tsara indrindra raha atao mitovy tantana ny olona reheta miara-miasa fa tsy asiana tombo sy hala. Tsy vita mora anefa izany fa mila faharetana, fiafiana sy fampijalian-tena. Ialàna anefa ny fifampitsabahana andraikitra. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Talata 24 aogositra 2021 — Masindahy Bartelemia, Apôstôly — Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, ianao no Mpanjakan’i Israely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 45-51

♦ Voavaha amin'ny ampahany ny olan'ireo mpiasan'ny Aviation Civile de Madagascar, izay saika hiroso tamin'ny fitokonana fanairana androany. Hahazo ny karama roa volana tsy voaloa sy hatramin'ny faran'ny taona, izy ireo... ♦ Ny Praminisitra no hitantana vonjimaika ny Minisiteran'ny Herana ankibon'ny tany, manomboka androany. Fitantanana vonjimaika, tao aorian'ny fametraham-pialan'ny Minisitra vao notendrena, ny alakamisy teo...

♦ Tontosa ny fitsidihana pastôraly nataon'i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, tao amin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nijoro ny Birao Mpandrindra ny FIFAKRI ao amin'ny Diôsezin'i Mananjary... ♦ Hotanterahina any Toliara ny 14 hatramin'ny 16 septambra 2021 ny filan-kevitra nasiônalin'ny Ekipan'ny Raozery... ♦ Manampy amin'ny fanohanana ireo traboina noho ny horohorontany ny Caritas ao Haïti...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...