♦ Toe-po telo no takian'izao fankalazana izao, hoy i Mgr Jean Pascal, omaly nandritra ny fankalazana ny taon-jobily faha-160 taona nitoriana ny finoana an-kalalahana teto Iarivo... ♦ Efa an-dalana ankehitriny, ny fanadihadiana ny hanandratana ho olomasina an-dRamose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny kristianina ny Papa, nandritra ny vavaky ny Angelus omaly, mba tsy hihevi-tena ho sangany...

♦ Pretra roa niharan'ny fanafihana sy fandrobàna tao Mananjary no manaraka fitsaboana aty an-drenivohitra ankehitriny... ♦ Nifarana ny atrik'asa isaky ny renivohi-paritany enina nataon'ny Ceni, andrasana amin'ity herinandro ity ny fandravonana izany... ♦ Efa mijery ireo lamina mba hitadiavam-bahaolana amin'ny fiakaran'ny vidim-panafody ny holafitry ny farmasiana sy ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka...

♦ Tsy nisy afatsy kandidà tokana no nanatitra ny antotantaratasy hirotsaka ho fidiana ho filohan'ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, izay nikatona omaly ny fe-potoana farany nahafahana nametraka izany... ♦ 12 irao maty ary 15 naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tany Anteza Ambohimahasoa ny faran'ny herinandro teo... ♦ Hiroso amin'ny fitokonana manomboka anio ny sendikan'ny SECES sampana Fianarantsoa, eo koa ny hetsiky ny SPATUF...

Andriamanitra mihitsy no namaritra ny anaran'ny zanak'i Maria, araka ny voalaza hoe : " Jesoa no ataonao anarany". Mifono iraka ny anarana ary zava-dehibe izany, tahaka an'i "Jesoa" izay midika hoe "Mpamonjy". Ny ray no mamaritra ny anaran'ny zanany. Nanomboka tamin'ny andron'i Jesoa dia niandahy sy niambavy ny iraka ho famonjena. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramaanna Soloniaina Jean Emilien.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...