Ny olomasina sy ny olontsambatra rehetra dia azo alaina tahaka amin'ny fanaovana safidy na famantarana ny antso. Ohatra azo raisina : Abrahama, Masina Maria, Md Paoly, ary Moizy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alatsinainy 6 septambra 2021 — Herinandro fahatelo amby roapolo mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 6-11

Alahady 5 septambra 2021 — Alahady fahatelo amby roapolo mandavantaona — Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 31-37

♦ Resin'i Tanzanie tamin'ny isa 3-2 ny Barean'i Madagasikara tamin'ny andro faharoa amin'ny lalao fifanitsanana handraisana anjara amin'ny Mondial 2022. Faharesena faharoa azon'ny Malagasy, mametraka azy any amin'ny laharana farany ao amin'ny Vondrona J... ♦ Tokantrano manodidina ny arivo no monina tsy ara-dalana ao amin'ny ala arovana Antimena any Menabe. Mampanahy ny fahasimban'ny ala arovana, tonga nikaro-bahaolana niaraka tamin'ny CFM ny solontenan'ny mpitantana any amin'izany faritra izany...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...