♦ Nampitomboina ny andraikitra sahanin'ny governora ary tokony omena andrakitra bebe kokoa amin'ny fanaraha-maso ny asa sy ny tetikasa tanterahana any amin'ny faritra... ♦ Misedra olana ny fiompiana landy eto amintsika. Hisy fiatraikany amin'ny lalam-pihariana ny fananganana foto-drafitr'asa ao Tsivatrinikamo, sehatra hiasan'ny foibe Fafiala... ♦ Voafidy fan-droany ho filohan'ny FJKM Andiamatoa Irako Andriamahazosoa, izay mpitandrina... 

♦ Nivoaka tamin'ny fahanginany ireo mpisehatra amin'ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara, manohana an'Andriamatoa Randrianasolo Brice, ho minisitra. Maro ireo sokajin'olona ho very tombon-tsoa, hoy izy ireo, manoloana ny fanendrena ka manao izay fara heriny manaratsy azy... ♦ Hanarina amin'ny fomba haingana, ireo lemaka fambolem-bary, sompitry ny vary eto Madagasikara, no isan'ny vaindohan-draharahan'ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, vaovao, Andriamatoa Ramilison Harifidy...

Tsy niasa irery i Jesoa tamin'ny fanatanterahana ny iraka nampanaovin'ny Ray Azy, fa nanana mpiara-miasa Aminy dia ireo Mpianany roambinifolo. Isika tsirairay hatramin'ny nahavita Batemy antsika dia voaantso ho mpiara-miasa amin'Andriamanitra sy mpiara-mitory ny Vaovao Mahafaly miaraka amin'i Kristry. Mila mandrakariva ny fiaraha-miasa amintsika olombelona Andriamanitra. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Alakamisy 19 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 1-14

[Miara-dàlana] Zoma 26 septambra 2025

• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...