♦ Misy lamina manokana ny fankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina amin'ny alahady ho avy izao, ho an'ny eto amin'ny diosezin'Antananarivo. Manazava ny tsara ho fantatra momba izany ny Arsevekan'Antananarivo... ♦ Fivoaran'ny valan'aretina Covid-19, miisa 24 ny tranga vaovao tamin'ny fitilina 202 natao omaly. 122 kosa ireo sitrana ary roa ireo marary lavon'ny aretina, teto Analamanga avokoa izy ireo...

♦ Nahemotr'ireo solombavambahoaka amin'ny fotoana manaraka indray ny fandinihana ilay tolo-dalàna momba ny zom-pirenena malagasy... ♦ Azo adika ho fiandanian'ny sampandraharaham-panjakàna iray amin'ny antoko politika ny fandokoana ny birao hitovy amin'ny lokon'ny antoko eo anivon'ny fitondrana, hoy ny mpahay lalàna... ♦ Tsara ny vidin'ny lojy maintsy maso, nisokatra androany ny fotoam-piotazana any amin'ny  faritra Boeny... 

♦ Tsy isan'ireo Oniversite hisokatra manomboka ny alarobia izao ny Oniversiten'Andrainjato Fianarantsoa. Nanao fanambarana ny fikatonan'ny Oniversite ny sendikan'ny mpandraharaha any an-toerana... ♦ Mpiadina ho polisim-pirenena iray no namoy ny ainy araka ny fampitam-baovaon'ny polisim-pirenena... ♦ Hanomboka anio eny amin'ny toby fiantsonana Maki eny Andohatapenaka ny fitsirihina ara-teknika ireo fiara hiasa amin'ny zoma ho avy izao... 

Talata 1 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 13-17

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...