Maro ireo manala zaza noho ny olana ara-pitiavana, matahotra ny hisaraka amin'ny olon-tiany ny vehivavy satria norahonana hoe hisarahany, manahy izy fa hiandraikitra irery ny fanabeazana sy ny famelomana ilay zaza. Heloka bevava ny fanalana zaza na dia eo ary ny fanazavana sy porofo entina handresena lahatra fa marim-pototra ny fanalana zaza ; tsy vahaolana amin'ny olana sasatsasany ny fanalan-jaza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

20 marsa 2024 — Alarobia, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 31-42)

Diso ny fiheverana fa ny fanalan-jaza no antoka hasalama ny vehivavy iray mitondra vohoka lazaina fa tsy salama ; tsy vokatry ny  fisian'ny zaza ao an-kibon-dreny ny tsy fahasalaman'ny vehivavy mitondra vohoka fa avy amin'ny aretina hafa. Maro anefa ny reny no sahy manao sorona ny any ho an'ny zanany, aleony izy no maty toy izay ilay zaza entiny ao am-bohoka. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

19 marsa 2024 — Masindahy Josefa vadin'i Masina Maria Virjiny — Fankalazana manetriketrika — Sambatra izay monina ao an-tranonao, ry Tompo, ka midera Anao mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 42-51a)

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...