17 mey 2024 — Zoma, Herinandro fahafito Fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 15-19)

Tokony haka fotoana handinihana tsara ny tanora hifankatia, aza maika ny hamboraka fitia fa diniho tsara aloha fa mety hanodoka ny bika aman'endrika. Raha voahevitra tsara ny antony hifankatiavana dia maro ireo olana voasoroka eo amin'ny fiainan'ny olona roa mifankatia, maro ihany koa ireo olana tsy hipoitra akory. Ny fiainam-pitiavana dia tsy raharahan'olon-droa fotsiny fa raharaham-pianakaviana mifamatotra". Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

16 mey 2024 — Alakamisy, Herinandro fahafito Fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 20-26)

Marina fa hery sipernatoraly ny fitiavana, hery ao anaty mivelona sy miaina izay mampiavaka ny olombelona. Mety manana ny faniriany sy hetaheta ilainy ny fitiavana saingy azo fehezina ho an'izay misaina. Ny tsirairay no mibaiko azy satria samy manana azy ny olombelona rehetra. Ny fahalemen'ny tanora maro dia maika loatra ny hiteny hoe "tiako ianao" "izaho koa tia anao". Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...