19 mey 2024 — Alahady Pantekôty — Fankalazana manetriketrika — Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavana — Evanjely masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 26-27 ; 16, 12-15)
Tsy misy fakam-panahy miseho amin'ny endrika ratsy izany fa tsara sy manintona mandrakariva. Mila mandinika tsara ny tanora hiroso amin'ny fanambadiana, mety vokatry ny fakam-panahy mantsy izany fa tsy tena fitiavana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
18 mey 2024 — Sabotsy, Herinandro fahafito Fankalazana ny Paka — Hirahiko ho eo aminareo ny Fanahin’ny Fahamarinana, hoy ny Tompo; Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 20-25)
Ny fakam-panahy dia tena misy ary mambabo fa miankina amin'ny tsirairay ny mandresy azy. Ny endriky ny fakam-panahy dia mety ho olona manam-pahefana, manam-bola, manana bika aman'endrika mambabo fo. Raha te ho lasa lavitra dia mila miezaka mandresy ny fakam-panahy. Tsy entam-barotra akory ny vatan'olombelona fa tempolin'ny Fanahy Masina ary manana hasina. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco