Mety hiteraka fahafatesana eo am-piterahana ny fitondrana vohoka aloha loatra. Ny fitondrana vohoka aloha loatra dia antony hialan'ny tanora amin'ny fianarany satria miteraka henatra sy tsy fifantohana ny tranga. Ny fiainana ny fahadiovana dia sady voninahitra ho an'ny tena no voninahitry ny fianakaviana no sady fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra ihany koa satria tenimpolin'ny Fanahy Masina. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
11 mey 2024 — Sabotsy, Herinandro fahenina Fankalazana ny Paka — Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 23b-28)
Vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola dia maro ny tanora voasarika amin'ny filan'ny nofo, mety ho tonga ho amin'ny vohoka aloha loatra ireny. Tena zava-doza ho an'ny reny sy zaza ny fitondrana vohoka aloha loatra satria lasa misy olana eo amin'ny fianakaviana, fiaraha-monina ary ny firenena. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
10 mey 2024 — Zoma, Herinandro fahenina Fankalazana ny Paka — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo; handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 20-23a)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco