Misy antony maro no mampitombo isa ireo tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana : Ara-tsôsialy sy ara-toekarena dia eo ny fahantrana izay mandrisika ny tanora hitady vola amin'ny fomba tsy mendrika ; eo koa ny fandrosoan'ny siansa izay mandrisika ny tanora hiroso amin'ny firaisana ara-nofo ; ary ny lehibe fa tsy kely dia ny tsy fahampian'ny fahalalana na fahaizana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
7 mey 2024 — Talata, Herinandro fahenina Fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 5b-11)
Ny fitondrana vohoka dia lalana ara-boajanahary hanohizana ny famindrana aina eo amin'ny olombelona vokatry ny fihaonan'ny tsirinaina lahy sy vavy. Ilàna fahavononana ny fitondrana vohoka izany hoe ara-tsaina, ara-batana. Raha vao tonga fotoana ny tovovavy dia afaka mitondra vohoka na tsy mbola tomombana aza ny taova rehetra, izay ilay atao hoe tanora miteraka aloha loatra. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
6 mey 2024 — Alatsinainy, Herinandro fahenina Fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 26 — 16, 4)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco