Ny "Fankahatry" dia lahabolana malagasy, tsy mifidy fotoana ny fanaovana azy. Ny "Fankahatry" dia mitovitovy amin'ny lahabolana "Ampitsonteny na Vôlantô na Hainteny" fa ny miavaka kely an'iry voalohany dia izy miseho eo amin'ny fifampiresahan'ny tovolahy sy tovovavy mifamboraka fitia. Ny Fankahatry dia lahabolana fanaon'ireo Betsimisaraka ary noho izany dia amin'ny fiteny Betsimisaraka. Any amin'ny faritra atsinanana amin'ny nosy no misy ny foko mpanao ity lahabolana ity...
Ny Fulgence tsarovana amin'izao 14 janoary izao dia ilay hoe Fabius Claudius Gordianus Fulgentius, teraka avy amin'ny fianakavian'andriana tamin'ny taona 458 tao Fériana ao Tunisie izy. Mbola kely izy no nisaraka tamin'ny rainy ka ny reniny no nanabe azy.
Ny fahafahana mibanjina dia tahaka ny "sira" manome tsiro ny fiainana : manome tsiro ny tontolo andro ; satria afaka mibanjina amin'ny alalan'ny fahitana, sy ny fandrenesana famakiana boky. Ny mibanjina dia "tsy fomba fiasa" fa "fomba fiainana"... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco