• Olona 16 namoy ny ainy, 10 hafa naratra nandritra ny lozan-dranomamy nitranga tany Belo-sur-Tsiribihina alina, nivory maika nandinika ny fepetra tokony ho raisina hisorohana ny loza ny manampahefana sy ny mpitandron'ny filaminana any an-toerana...
  • Hotanterahina ny 3 hatramin'ny 5 desambra 2024 izao ao amin'ny Katedraly Namahora-Morondava ny andiany faha-46 amin'ny kômity foibe FFKM...
  • Nitaky fanazavana momba ny nampiasan'ny tompon'andraikitra ny caisse école ho an'ireo sekoly ambaratonga fototra ao amin'ny Distrika Ikongo ireo ray aman-drenin'ny mpianatra any an-toerana...
  • Hiara hisakafo amin'ny mahatra miisa 1.300 ao Vatican mandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny mahantra amin'ny alahady 17 novambra 2024 izao i Papa François...

Ny aretin'aty dia tsy fahatanterahan'ny asan'ny aty, vokatry ny fihinanana menaka betsaka loatra. Misy sehon'aretina maro raha vao tsy tomombana ny asan'ny aty : malain-komana, mandoa, misy hafanana, tazovony, havizanana, areti-kibo... Misy fanafody mahasitrana tandrify ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo raha vao voatily ara-potoana... Misy tsiranoka mandeha mialohan'ny fahatongavan'ny fadimbolan'ny vehivavy... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

  • Mbola nametrahan'ireo Eveka namany ny fitokisany ka naveriny ho filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ny Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Manohy ny asa fanabeazana ny olom-pirenena amin'ny alalan'ny andrimaso ny FFKM na tsy ho isan'ireo hisahana ny fanaraha-maso mandritra ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina ny tanàna ny 11 desambra 2024, izao aza...
  • Trano 602 tafo no ravan'ny afo tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ivandrika, Distrika Farafangana, rava hatrany amin'ny 98% ny tanàna, maherin'ny 3.000 ireo tra-boina.

Ny vavaka maharitra, araka ny filazan'ireo Rain'ny Fiangonana dia matetika no raisina ho toy ny fanao ara-panahy tena fanatsarana ny fiainam-panahy, tena ilaina izay maneho ny finoana sy ny faharetana ary ny fahatokiana an'Andriamanitra. Ny vavaka maharitra dia mifototra amin'ny fahatokiana ny fahatsaran'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 mey 2025

• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...