4 septambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 38-44)

♦ Nametraka laharana maitso, hifandraisana amin'ireo maniry ho kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina amin'ny 11 desambra, ny CENI. Maromaro amin'ny kandidà no mitaraina amin'ny fikarakarana antontan-taratasy... ♦ Nigadona tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato androany tolakandro, ny fiaramanidina Boeing 777 manao ny sidina Dubaï-Antananarivo... ♦ Nahazo rariny teny amin'ny Fitsarana, ny mpiasan'ny orinasa iray eny Anosizato nanao fitokonana nandritra ny andro maromaro. Tsy hotapahana ny karaman'ny mpiasa araka ny didim-pitsarana...

♦ Maro ireo kandidà no mitaraina amin'ny fahasarotan'ny fikarakaràna ireo antotan-taratasy ilaina amin'ny firotsahan-ko fidiana amin'ny fifidianana. Hisokatra afaka andro vitsy ny fandraisana izany eny anivon'ny Ovec... ♦ Miahiahy ny antoko Humaniste Ecologiste fa mety ho maro indray ireo kaominina tsy hisy afa-tsy kandidà tokana amin'ny fifidianana amin'ny 11 desambra. Midangana hoy izy ireo ny anto-bola takiana amin'ireo mpirotsaka ho fidiana... ♦ Hifampitaona eny Antsahamanitra ny sabotsy ireo mpiasa mivondrona anatin'ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy na ny KIM. Hetsika, hanehoana ampahibe-maso fa marary ny mpiasa amin'izao fotoana izao...

Niaina sy nandinika ny zava-boahary manodidina azy ny Ntaolo Malagasy. Ireny hita sy re, tamin'ny fiainana andavanandro ireny no nanakaran'izy ireo ny marika andro. Misy marika andro 34 isa teo amin'ny Ntaolo araka ny firaiketana hita nataon'ireo vahiny roa natao fampitahana dia izay volazan'i rév. Cousins William Edward sy mompera F. Callet. Ny famantaranandron'ny Ntaolo dia miresaka ireo hita mandritra ny andro sy ny re mandritra ny alina ; ohatra : maneno akoho tokana (3 ora maraina) mitatao vovonana (12ora atoandro)... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...