2 septambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 16-30)
Boky Fanisana (Fan. 21, 4b-9)
Tamin’izany andro izany,
dia nanomboka ho tofoky ny lalana sy ny asa ny vahoaka,
ka niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Môizy nanao hoe:
“Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay
ho faty aty an’efitra?
Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy,
ary ny fanahinay efa monainan’itony hanina tsinontsinona itony.”
Ary Andriamanitra tamin’izay
nandefa bibilava mahamay hamely ny vahoaka:
nokaikerin’ireny ny vahoaka ary nahafatesana betsaka ny olona tamin’i Israely.
Nankeo amin’i Môizy ny vahoaka ka nanao hoe:
“Efa nanota izahay fa niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy ianao.
Mivavaha amin’Andriamanitra mba hoesoriny lavitra anay ireo bibilava ireo.”
Dia nivavaka ho an’ny vahoaka i Môizy,
ka hoy Andriamanitra tamin’i Môizy:
“Manaova ianao bibilava mahamay ka apetraho amin’ny tsato-kazo,
fa ho velona aina izay rehetra voakaikitra ka mijery izany.”
Dia nanao bibilava varahina i Môizy,
ka napetrany teo amin’ny tsato-kazo anankiray,
ary raha nisy voakaikitry ny bibilava,
dia nijery ny bibilava varahina izy dia velona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 77, 1-2. 34-35. 36-37. 38
Henoy ny lalàko, ry oloko;
ny tenin’ny vavako anongilano sofina:
hiloa-bava Aho hilaza fanoharana,
hanonona zava-miafina hatry ny ela.
Fa raha novonoiny izy dia nitady Azy,
mba niverina nikatsaka Azy ihany;
mba tsaroany fa Izy Tompo no Vatolampiny,
ilay Avo indrindra no Mpanavotra azy.
Kanjo fitaka no teo am-bavany,
lainga no tamin’ny lelany;
ny fony tsy niorina tamin’ny Tompo,
ny faneken’ny Tompo tsy airaiketany.
Izy Tompo anefa, noho ny indrafony
namela hadisoana ka tsy nandringana,
tsy mba nanarana hatezerana,
tsy sasatra nampody havinirana.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 2, 6-11)
I Kristy Jesoa na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza
dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny,
tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo,
ka tonga mitovy amin’ny olombelona,
sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra,
ary nilatsa-Tenany ho ambany,
nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana,
dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana.
Ho valin’izany kosa,
dia nasandratr’Andriamanitra Izy,
sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra,
mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra,
na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambany,
ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy
dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 13-17)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’i Nikôdema nanao hoe:
“Tsy nisy niakatra tany an-danitra
afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany,
dia ny Zanak’olona izay any an-danitra.
Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra,
no tsy maintsy anandratana ny Zanak’olona koa,
mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao,
ka nomeny ny Zanany tokana,
mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao,
mba hitsara izao tontolo izao,
fa mba hamonjy izao tontolo izao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 9, 16-19, 22b-27)
Ry kristianina havana,
raha mitory ny Evanjely aho, dia tsy mba izany no voninahitro,
fa adidy tsy maintsy efaiko izany,
ka loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho.
Raha safidim-poko fotsiny no anaovako izany, dia hoe mendri-baly aho;
fa didy no anaovako azy, ka dia adidy napetraka hiandraiketako izany.
Inona àry no valisoa azoko?
Izao ihany: mitory ny Evanjely aho, ary mitory azy maimaim-poana,
fa tsy mampiasa ny fahefana ananako avy amin’ny Evanjely.
Eny, na dia olona afaka aza aho, ka tsy mpanompon’iza na iza akory,
dia nilatsaka ho mpanompon’ny olona rehetra kosa,
mba hahazoako olona maromaro kokoa.
Eny, tonga toa azy rehetra tamin’ny olona rehetra aho,
mba hamonjeko azy rehetra.
Ary noho ny Evanjely no nanaovako izany rehetra izany,
mba hananako anjara aminy.
Tsy fantatrareo va fa maro no indray mihazakazaka ao amin’ny tany fifanalana hazakazaka,
nefa iray monja no mahazo ny loka?
Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo.
Ny mpifanala hazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra;
nefa satro-boninahitra mora levona no tadiaviny,
fa ny tsy ho levona mandrakizay kosa no antsika.
Raha izaho àry, dia mihazakazaka aho, nefa tsy manao mosalahy;
mikapoka koa, nefa tsy toy ny mikapo-drivotra;
fa asiako mafy ny tenako, ary andevoziko mihitsy aza,
sao ny sasany nitoriako, nefa ny tenako kosa ho very.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 83, 3. 4. 5-6a sy 8a. 12
Ny fanahiko manembona ka reraka
manina ny kianjan’ny Tompo!
Ny foko sy nofoko mihoby
an’ilay Andriamanitra velona!
Ny fody avy no mahita trano,
ny sidisidina mahita akany ho an-janany
eo anilan’ny ôtelinao,
ry Tompon’ny Tafika,
ry Mpanjaka sy Andriamanitro!
Sambatra izay monina ao an-tranonao,
ka midera Anao mandrakizay!
Sambatra ny olona izay omenao hery.
Koa mitombo ny hery, roso indray ny dia.
Fa manda sy ampinga ny Tompo,
Ilay Andriamanitra velona sy voninahitro!
Ny Tompo tsy mandà
fa manome izay mahasoa ny lavorary famindra.
Aleloia. Aleloia.
Ny tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany tenin’Andriamanitra izany dia ny Evanjely izay notorìna taminareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 39-42)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao izao fanoharana izao tamin’ny mpianany:
“Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba va?
Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa?
Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra,
fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany.
Nahoana no ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao jerenao,
nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao tsy hitanao?
Ary ataonao ahoana no filaza amin’ny rahalahinao hoe:
‘Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin’ny masonao’
nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao aza tsy hitanao?
Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao;
izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 8, 1b-7. 11-13)
Ry kristianina havana,
ny fahalalana mampiebo, fa ny fitiavana no mampandroso.
Raha misy manao ny tenany ho mahalala zavatra,
dia mbola tsy mahalala araka izay tokony hahalalany akory izy.
Fa raha misy tia an’Andriamanitra kosa dia fantany io.
Koa ny amin’ny mihinan-kena naterina tamin’ny sampy,
dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao,
ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray monja.
Na dia maro aza no antsoina hoe Andriamanitra,
na any an-danitra, na etý an-tany (mova tsy ny misy Andriamanitra sy Tompo maro),
iray ihany no Andriamanitra amintsika, dia ny Ray izay niavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika;
iray ihany no Tompo, dia i Jesoa Kristy, izay nahariana ny zavatra rehetra sy nahariana antsika koa.
Mbola tsy manana izany fahalalana izany avokoa anefa ny olona rehetra,
fa ny sasany mbola manao ny sampy ho zavatra toy ny taloha ihany,
ka nony mihinana ny hena naterina tamin’ny sampy,
dia voaloto ny kônsiansiny, satria mbola malemy.
Ka very ny malemy noho ny fahalalanao, dia ny rahalahy nahafoizan’i Kristy ny Ainy.
Ary raha manota amin’ny rahalahinao toa izany ianao, sy manimba ny kônsiansiny mbola malemy,
dia manota amin’i Kristy.
Koa raha izay hanina foana no hanafintohina ny rahalahiko,
dia tsy hihinan-kena mandrakizay aho, mba tsy hanafintohina ny rahalahiko.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 138, 1-3. 13-14. 23-24
Tompo ô, mandinika ahy Ianao, ka mahafantatra.
Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana;
mbola lavitra dia tsinjonao ny hevitro.
Voadinikao aho na mamindra na miato;
ny lalako tsy misy manavao Anao.
Ianao no nahary tongotra aman-tanana,
sy Mpiaro hatrany an-kibon’Ineny.
Midera Anao aho fa mahatalanjona itý Ianao!
Eny, mampitolagaga ny asanao!
Fantatrao hatrizay ny fanahiko;
tsy niafina taminao ny tenako.
Diniho aho, ry Andriamanitra, fantaro ny foko!
Zahao toetra aho! Fantaro eritreritra!
Jereo sao misy lala-mamarina ato amiko,
dia tariho aho ho amin’ny lalam-pahagola.
Aleloia. Aleloia.
Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavan’Andriamanitra lavorary ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 27-38)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy:
Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an’izay mankahala anareo,
misaora an’izay manozona anareo ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo.
Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny ilany
ary raha misy maka ny lambanao, aza sakanana na alainy mbamin’ny akanjonao aza.
Omeo izay rehetra mangataka aminao,
ary raha misy mifaoka ny anananao, dia aza mitaky izany aminy intsony.Izay tianareo hataon’ny olona aminareo, no mba ataovy amin’ny olona koa.
Raha izay tia anareo ihany no tianareo, fankasitrahana inona no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota aza tia izay tia azy koa.
Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota aza mba manao toraka izany ihany koa.
Ary raha izay antenainareo hanonitra ihany no ampisamborinareo, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota koa aza, mampisambotra ny mpanota ihany, mba handraisany toraka izany.
Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny:
dia ho lehibe ny valisoanareo, ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra,
dia Ilay tsara fo amin’ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy.Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo.
Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo;
aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo;
mamelà, dia havela ianareo.
Manomeza dia homena ianareo;
fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao am-pofoanareo:
fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco