♦ Niroso tamin'ny fametrahana tondrozotra hiatrehana ny fandotoana ao anatin'ny 10 taona ho avy, ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy... ♦ Manantena ny mponina any avaratra fa tsy ho vonjy tavan'andro ny fametrahana ny fivilian-dalana eo amin'ny Reniranon'Ifasy sy Mahavavy. Manahy izy ireo fa ho tapaka indray ny lalana amin'ny fotoam-pahavaratra... ♦ Mikarakara fampianarana momba ny famokarana sary hosodoko sy ny sary sokitra, ny Tranom-boky Monisipaly ao Antananarivo Renivohitra, amin'izao fotoam-pialan-tsasatry ny mpianatra izao...

Ny 11 jolay dia natokana hankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny mponina, izay mitazona anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana, satria sady mpisitraka izy no mpanatanteraka io fampandrosoana io. Araka izany dia ilaina ny fananana mponina ampy fanabeazana, ampy fahalalàna, manana sy manaja ny soatoavina, salama, miaina anaty fandriam-pahalemana... Ny fampandrosoana dia andraikitry ny tsirairay sy ny daholobe, fa tsy miankina manokana amin’ny olo-tokana samirery na vondron’olona.  Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

♦ Misy mibodo ny tanin'ny Diôsezin'Antananarivo manana velarana 7 hatramin'ny 9 hekitara eny Ilafy Ambohimangakely, Distrikan'Antananarivo Avaradrano... ♦ Notokanana omaly ny sampana miandraikitra ny fandidiana ny fo misokatra, eny amin'ny Hôpitaly Miaramila Soavinandriana. Nanome voninahitra izany ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... ♦ Nifarana omaly ny fanadinana BEPC. Nisy olana noho ny ambara fa fivoahan'ny laza adina mialoha ny fotoana, ho an'ny taranja anglisy...

Misy olona mihevitra fa raharahan'ny sahirana sy ny bado ny mivavaka. Ao amin'ny tantaran'ny fiainam-panahy dia lazain'ny philosophe antsoina hoe Blaise Pascal, ao amin'ny boky "le Memorial" fa Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'i Isaaka, Andriamanitr'i Jakôba fa tsy Andriamanitry ny Philosophe, Izy no fahamarinana, fahamatorana, hafaliana sy fiadanana, ilay rain'i Jesoa Kristy. Katesizy momba ny vavak'i Abrahama, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...