♦ Mangataka Faritra vaovao hisitaka amin'i Atsimo-Andrefana ireo Distrika miisa 03 mandrafitra ny "plateau Mahafaly". Afaka mamelon-tena tsara izany Faritra izany raha tafajoro hoy ny solombavambahoaka voafidy tany Ampanihy... ♦ Nihaona tamin'ny filohan'i Afrika-atsimo tany Suisse ny Filoham-pirenena Malagasy. Maniry hitsidika amin'ny fomba ôfisialy eto Madagasikara ny filoha Afrika tatsimo Cyril Ramaphosa... ♦ Tsy miasa intsony nanomboka androany ny foibe fitiliana sy fitsaboana ny Covid-19 na ny CTC eny amin'ny tanàna Voara Andohatapenaka. Efa voafehy ny fiparitahan'ny valan'aretina hoy ny tompon'andraikitra....

Ny mpiara-miombon'antoka dia tokony iaina ny fahamarinana, ny fifampitokisana ary ny fifanajana. Ireo toetra fototra ireo dia hampiarina amin'ny sehatra rehetra izay hisian'ny fiombonan'antoka. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

♦ Mitohy ny fanomanan'ny eny ifotony ny fihaonamben'ny FFKM hatao amin'ny volana jolay ho avy izao. Manao ny fakan-kevitra ho entina mandritra izany ny FFKM Antananarivo-Atsimondrano... ♦ Tsy nikasi-tanana ny mpitandro filaminana tany Morondava ny filohan'ny Miava Tour Siteny Randrianasoloniako hoy ny Solombavambahoaka Mamihaja Charlot. Tsy ankasitrahan'izy ireo koa ny firosoana amin'ny tetezamita... ♦ Hanomboka anio etsy amin'ny CCI Ivato ny hay ranty biôlôjika na ny Salon Biôlôjika karakarain'ny SYMABIO sy ny mpiara-miombon'antoka aminy... ♦ Any Ukraine : mafotaka ny ady amin'ireo tanàna eo am-pelan-tanan'i Rosia...

Ny tontolo iainana dia izay misy rehetra ka mifandray amin'ny fiainan'ny olombelona, na ny hita maso na tsy hita, na ny manana aina na tsia. Tontolo iainana : ny tany, ny rano, ny zava-maniry, ny biby amam-borona isan-karazany, ny rivotra, ny masoandro, ny volana ny kintana, ny habakabaka ary ny olombelona ; izany hoe izay rehetra misy ety ambonin'ny tany sy ny any ambany any koa.  Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...