15 jona 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)

♦ Manomana ny fihaonam-be momba ny raharaham-pirenena amin'ny volana jolay ny FFKM. Misy nanomboka androany ny fihaonam-paritra hanangonan-kevitra ho entina amin'izany... ♦ Manambana ny hidina an-dalambe ny Vondron'ny Mpanohitra G5, ao aorian'ny Fetim-pirenena. Mitaky ny haneken'ny fitondrana hidinika an-databatra boribory izy ireo, mialohan'ny hirosoana amin'ny fifidianana... ♦ Mbola tena tsy ampy ny mpanome rà hanavotana aina eto amintsika. Ny amapahadimin'ny filana ihany no avy amin'ireo mpanome rà an-tsitrapo...

♦ Tsy ekena ny fikasihan-tanana ataon'ny mpanao pôlitika amin'ny mpitandro ny filaminana, toy ny zava-nisy tany Morondava hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena... ♦ Mandalo fankatoavana eny amin'ny antenimeram-pirenena anio ilay famatsiam-bola 250 tapitrisa dôlara avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena hanavaozana ny tambazotra herinaratry ny Jirama... ♦ Manodidina ny 400.000 isa ny olona efa nisitraka ny fizaham-pahasalamana na ny fitiliana na ny toro-hevitra sy fanafody, tao anatin'ny Rodorodo ara-pahasalamana. Niainga omaly indray ny Caravane Médicale ho an'ny Itasy sy Bongolava ary Sôfia... ♦ Anio tolakandro no halevina ny praiministra Italiana teo aloha Silvio Berlusconi...

Ny fampinonoan-dreny dia dinga iray eo amin'ny fitondrana ny zanaka ary adidin'ny reny. Ny fotoana ahafantarana fa mitondra vohoka ny vehivavy dia efa tokony hivonona amin'ny fampinonona izay ho reny. Ny nonon-dreny dia manampy ny zaza amin'ny fitomboany satria mbola marefo ny taova ao anatiny, sady sakafo no vaksiny ho an'ilay zaza. Ny fampinonoan-dreny dia manampy ny reny hamerina ny toe-batany sy ny taova rehetra. Ny fampinonoan-dreny dia atao tsy misy fangarony anatin'ny 6 volana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...