24 aprily — Ny Fidèle resahana eto dia ilay avy any Sigmaringen. Teraka ny ôktôbra 1578 tao Sigmaringen i Fidèle. Marc Roy no tena anarany. Noheverina fa nianatra tao amin'ny sekolin'ny zezoita tao Fribourg izy, avy eo nandalina ny filôzôfia tao Strasbourg ary namarana sy nahazo ny mari-pahaizana momba izany ny taona 1601.
Ny vita batemy rehetra noho ny asan'ny Fanahy Masina ao aminy dia mandray ny finoana aloha ; ny vahoakan'Andriamanitra dia mandray anjara amin'ny adidy maha-mpaminany an'i Kristy, indrindra amin'ny fiainany feno finoana sy fitiavana, ary noho izy manolotra an'Andriamanitra sorom-piderana, vokatry ny molotra izay mankalaza ny anarany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
24 avrily 2025 — Alakamisy amin'ny Havaloan'ny Paka— Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 35-48)
♦ Tontosa teny amin'ny Ekar Masindahy François Xavier Antanimena androany maraina ny Sorona Masina ho fisaorana an'Andriamanitra sy ho fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa François... ♦ Isany voaresaka tamin'ny fihaonan'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron sy Filoha Malagasy Andry Rajoelina teny amin'ny Lapan'i Iavoloha androany, ny momba ny famerenana ireo Nosy Malagasy ; ankoatr'izay dia fifanaraham-piaraha-miasa enina no vita sonia... ♦ Mpitandro ny filaminana maherin'ny 2.000 no ahetsika amin'izao fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny COI izao ; nambaran'ny eo anivon'ny Emmo fa handraisana fepetra ireo mikasa hanakorontana...
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco