Ny finoana dia mampisy ny tsy misy ary ny vavaky ny maro mampisy fanantenana ; ny fahaiza-mihaino dia tena fototra tsara mahatsara ny fiaraha-monina, manampy azy ny fifanakaikezana am-po. Misy fetra ny fizahozahoana sy ny tanjaka, ary mety hakasika ny taranaka ny voka-dratsiny. Valio soa ireo izay manao ratsy anao fa singa mahasoa ny fiaraha-monina, ny asa ary ny firenena ny ezaky ny tsirairay... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nanitsy ny resaka ahely momba ireo baobab ao amin'ny faritra arovana Ranobe PK faha-32 ny Ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovanin-jafy. Tsy voakitika amin'ny fitrandrahana fasimainty ataon'ny Base-Toliara izany hoy ny Ministra... ♦ Nahangona 30.000.000 Ariary tamin'ny ezaka taon-jaobily 2025 ny vahoaka sahirana eo ambany fiahian'i Mompera Pedro Opeka. Hozaraina amin'ny Diôsezin'Antsiranana sy Taolagnaro izany vola voahangona izany... ♦Nolaniana teny amin'ny antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna mifehy ny fanalalahana ny famokarana sy ny fivarotana toaka gasy ...

22 mey — Teraka tao amin'ny tanana kely tao afovoan'i Italie i Rita tamin'ny taona 1381, efa zokiolona ireo ray aman-dreniny vao niteraka azy ary nobeaziny tao anatin'ny fitiavam-bavaka tany amin'ny fiainan-drelijiozy izy ka mbola kely dia efa nankafy ny fanginana sy ny fahaiza-manaiky.

• Mbola tsy mifarana ny ady hevitra momba ny fitrandrahana hataon'ny Base Toliara, na dia efa nidina ifotony nanazava sy niresaka tamin'ny alalan'ny lahateny mivantana tamin'ireo olona mandà ny tetikasa aza ny Filohan'ny Repoblika... • Mahantra manampy ny mahantra. Nanao ezaka ho an'ny taon-jobily  2025, ireo vahoaka sahirana eo ambany fiahian'i Mompera Pedro, ka nahangona vola 30 tapitrisa Ariary... • Omena sehatra hampahafantarana ireo asam-pikarohana sy voka-pikarohana ao aminy, ireo oniversitem-panjakana manerana ny nosy, araka ny tinapaky ny COPRIES, izay rafitra ambony manapaka ny fiainan'ny oniversite...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...