13 febroary 2025 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 24-30)

• Voahitsakitsaka ny demokrasia sy ny zo fototra ho an'ny olom-pirenena, hoy ny RMDM androany teny Bel Air... • Lany avokoa ny lahadinika naroson'ny Ben'ny Tanana, Harilala Ramanantsoa, nandritra ny fivoriana nataon'ny Mpanolotsain'ny tananan'Antananarivo... • Tanora miisa 5.000 isam-paritra no kendren'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena hahazo fiofanana amin'ilay tetikasa “Tanora mandrafitra ny ho avy”...

  • Naneho ny heviny momba ireo mpitandro filaminana efa nisotro ronono manao fanambarana miaraka amin'ny vondron'olona sy antoko pôlitika ny filohan'ny antenimieran-doholona. Nambarany fa tsy manao hery famoretana ny mpitandro filaminana rehefa manao ny asany...
  • Mila ampiasaina ny paik'adim-pirenena ho an'ny ady amin'ny kolikoly voavao raha tiana hahomby sy ahitana vokatra ny ezaka atao amin'ny ady amin'ny kolikoly eto Madagasikara hoy ny tale mpanatanteraky ny TIMG...
  • Miatraika amin'ny sehatra maro ny fanakatonan'ny filoha amerikanina ny biraon'ny USAID eran-tany ka isan'izany i Madagasikara hoy Profesora Jonah Ratsimbazafy filohan'ny GERP...
  • Fandaharan'asa an-jatony iadiana amin'ny VIH-SIDA aty Afrika no voakasiky ny fampiatoana ny ampahany betsaka amin'ny fanampiana ataon'i Etazonia ato anatin'ny 90 andro...

  • Notsarovana omaly 11 febroary ny faha-50 taona nitifirana ny Kôlônely Ratsimandrava Richard. Lanonana ara-miaramila toa ny fanao isan-taona no nanamarihana izany teny Ambohijatovo ambony, toerana nitrangan'ny fitifirana. Nanome voninahitra ny totoana ny PM Ntsay Christian...
  • Mbola mila ezaka goavana i Madagasikara amin'ny ady atao amin'ny kolikoly. Laharana faha-140 amin'ny firenena 180 isika araka ny IPC 2024. 26/100 no isa azon'i Madagasikara raha toa ka 25/100 tamin'ny taona 2023...
  • Niova ny daty hanoavana ny fihaonambe ho an'ireo manam-pahaizana iraisam-pirenena momba ny gidro sy ny rajako eto Madagasikara. Hotanterahana eto Antananarivo eo anelanelan'ny 20 sy 26 jolay 2025 indray noho izany io fihaonana io...
  • Nihaona tamin'ny filoha amerikana tao amin'ny birao fiasany omaly ny mpanjakan'i Jordanie. Tsy nanaiky lembenana nanoloana an'ingahy Donald Trump ny mpanjaka Abdalah-II fa toheriny marindrano ny drafitra naroson'ny amerikanina ho an'ireo palestinianina monina ao Gaza...

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...