♦ Efa nivoaka ho boky ny angon-kevitra natao nandritra ny fanomanana ny Sinaodin'ny Eveka, hatao amin'ny taona 2023, ho antsika eto Madagasikara... ♦ Notokanana omaly ny Seminera Zokiny misy ny Filôzôfia, iraisan'ny Arsidiôsezy Atsinanana, ka ao Analamalotra ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina no misy azy... ♦ Nôvisy roa ambin'ny folo mirahalahy no niroso nanao ny voady voalohany ao amin'ny fikambanan-drelijiozy Karma...
♦ Hatao ao anatin'ny fampanjakàna ny mangarahara sy ny fampandraisana anjara ny rehetra ny hetsika sy ny asa rehetra atao amin'ny fanavaozana ny olom-pirenena manan-jo ao anatin'ny lisitry ny mpifidy... ♦ Lalam-pirenena miisa 11 no hamboarina amin'ity taona ity, vola 100 tapitrisa dolara no hamatsian'ny Banky iraisam-pirenena izany... ♦ Mitontongana efa tafidina ambanin'ny 4000 Ariary ny sandan'ny Euro ankehitriny, raha efa nananontanona ny 5000 Ariary izany volana maromaro teo aloha. Isan'ny mahatonga izany ny fiantraika ara-toe-karen'ny ady any Ukraine...
♦ Napetraka omaly tany Toamasina, ny vato fototry ny Hôpitaly katôlika eto Madagasikara. Notokanana ihany koa ny grand séminaire filôzôfia Md François de Salle Analamalotra... ♦ Miantso ny malagasy feno taon tsy very zo ny filohan'ny CENI mba hampiantrano ireo mpanisa mpifidy, ampahalavorary ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana eto Madagasikara... ♦ Marihina anio alatsinainy 3 ôktôbra 2022 ny andro maneran-tany ho an'ny toeram-ponenana... ♦ Tany indonezia, farafahakeliny olona 125 isa no namoy ny ainy, vokatry ny hetsika savorovorom-bahoaka, nandritra ny lalao baolina kitra natao tamin'ny sabotsy hariva...
03 ôktôbra — Teraka ny taona 890 tao Stave, tanana kely tao Florennes i Gérard. Sancius no rainy, izay avy amin'ny fianakavian'ny duc d'Austrasie. Avy amin'ny reniny indray izy dia nanana dadatoa an'i Etienne, eveka tao Liège. Nanan-tany tao Brogne ireo ray aman-drenin'i Gérard ireo.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco