Masina ny fanambadiana fa tsy kilalao. Manana ny hajany ambony loatra ka mendrika, tsy natao hosihosena amin'ny tany. Hoy ny Soratra Masina hoe : Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian'ny mpivady, fa hoheloin'Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona. katesizy momba ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

Talata 2 aogositra 2022 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 22-36

♦ Ho fanavaozana ny rafi-pampianarana eto Madagasikara sy ho fanomanana ny fihaonam-be an-tampony izay hatao any New York amin'ny septambra izao, dia misy fikaonan-doham-pirenena mahakasika ny fanabeazana sy ny fampianarana, izay tanterahana etsy amin'ny CCI Ivato, nanomboka androany... ♦ Tokony hovahana haingana ny olana mahatonga ny fitokonan'ny mpiasan'ny lalamby FCE, fa mijaly ny mponina any amin'ny distrikan'Ikongo... ♦ Manodidina ny 400 ireo mpanao gazety nahafeno antontan-taratasy sy ny fepetra notakiana, hahazoana ny karatra maha matihanina...

♦ Nampikaikaika ny mpanjifan'ny Jirama indray ny fahatapahan-jiro lavareny amin'ny toerana maro. Nisy ireo nanao hetsika nanoherana izany tamin'ny alina... ♦ Efa maherin'ny 70 ankehitriny ireo firenena nahitàna ilay valanaretina nendran-drajako na variole du singe. Arahanao ato anat'ity vaovao ity ny fanadihadiana momba io valanaretina io... ♦ Ambony noho ny fitakian'ny mpisehatra politika ankehitriny ny fanavotam-pirenena amin'ny alalan'ny fitoniana sy ny fihavanam-pirenena, hoy ny Roso ho an'ny Demôkrasia Sosialy na ny RDS... ♦ Nilatsaka tany amin'ny fari-dranomasina avaratra atsinanan'ny nosy Borneo aty amin'ny ranomasimbe indiana ny potik'ilay sambondanitra sinoa ny faran'ny herinandro teo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...