Voambara ao amin’ny fahazavan’ny misterin’ny Pakan’ny fahafatesan’i Kristy sy ny fitsanganany ho velona ny hevitra kristianina momba ny fahafatesana. Izany no iorenan’ny hany fanantenantsika. Mandao ity vatana ity ny kristianina, izay maty ao amin’i Kristy Jesoa mba handeha honina eo akaikin’ny Tompo. Manazava ny momba ny fombam-pivavahana mandritra ny fandevenana kristianina i P. Randriamanamahenina Robert Marie
♦ Notendren'ny Papa François ho Nonce Apostolique eto Madagasikara, i Mgr Tomasz Grysa... ♦ Nohamasinina ho pretra tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé, ny Diakra Raherisoa Athanase... ♦ Nanao fitsidihana pastôraly tao Anosimisaona, i Mgr Rosario Vella...
Nitondra ny anjara biriky tamin'ny asa fampivoarana ny seha-pamokarana teny ambanivohitra ny Foibe FAFIALA. Manamariika ny faha-30 taona nijoroany ity foibe manana ny foiben-toerana eny Ambohimangakely Antananarivo-Avaradrano ity...
♦ Mbola tsy mitovy ny tandin-dokanga eo amin'ny CENI sy ireo antoko pôlitika, manoloana ilay logiciel Sigle, iray andro mialoha ny fanombohan'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy... ♦ Niafara tamin'ny fifanarahana ny dinika teo amin'ny fitondrana malagasy sy ny Vondrona Eorôpeana manoloana ny jona lamatra. Niabo 40% ny vola haloan'ny Vondrona Eorôpeana eo amin'io sehatra io raha oharina amin'ny fifanaranahana teo aloha... ♦ Manamafy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena fa tsy maintsy hiaran'ny sazy ireo mpitandro ny filaminana voaporofo fa mandika ny lalana sy ny sata mifehy azy ireo...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco