Alatsinainy 31 janoary 2022 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 5, 1-20
Maro ireo voaantso hanorina sy hiaina fiainam-pianakaviana. Ny fiombonan'ny mpivady dia efa asan'Andriamanitra sahady : "aoka izay nakamban'Andriamanitra tsy hosarahin'olombelona" (Mt 19,6). Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alahady 30 janoary 2022 — Alahady fahefatra mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 21-30
Isaky ny 04 Febroary no fanamarihana ny andro manerantany ho an'ny homamiadana, izay aretina mety hafaty raha tsy voatsabo. Ny homamiadana dia aretina azo avy amin'ny fiovan'ny sela ao anatin'ny olombelona, izay mitombo mihoapapana sy tsy voafehin'ny vatana intsony. Ny homamiadana dia miteraka fivontosana ka manimba ny taova misy azy ary mety hiparitaka amin'ny taova hafa. Ny homamiadana dia azo tilina, azo soroina ary azo tsaboina.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco