Tamin’izany andro izany, i Jesoa rahefa tapitra nampandre toriteny maro tamin’ny vahoaka, dia niditra tao Kafarnaôma. Ary nisy kapiteny anankiray nanana ankizilahy tiany tokoa, narary efa ho faty. Nony nandre ny amin’i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholon’ny Jody ho any aminy mba hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay ankizilahiny. Ary rahefa tonga tany amin’i Jesoa izy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: "Mendrika hanaovanao izany izy, fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagôgantsika aza."

Dia niara-nandeha tamin’izy ireo i Jesoa. Fa nony mby teo akaikin’ny trano Izy dia nampaniraka ny sasantsasany tamin’ny sakaizany ilay kapiteny hilaza aminy hoe: "Tompo ô, aza dia misahirana toy izao re, fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafontranoko akory aho; ary na dia ny tenako aza dia noheveriko ho tsy mendrika hanatona Anao akory, fa manonòna teny iray monja, dia ho sitrana ny ankiziko. Fa izaho olona manan-dehibe mba mifehy miaramila koa, ka ny anankiray ilazako hoe: "Mandehana", dia mandeha; ny anankiray ataoko hoe: "Avia", dia avy; ary ny mpanompoko koa hoe: "Ataovy izany", dia manao izy." Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka nitodika ny vahoaka nanaraka Azy nanao hoe: "Lazaiko marina aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza." Ary nony tafaverina tao an-tranon’ilay kapiteny ireo iraka, dia nahita fa sitrana ilay ankizilahy narary.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany dia nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe: "Ataon’ny olona ho iza moa Aho?" Ary ireo namaly Azy nanao hoe: "I Joany Batista, hoy ny sasany; i Elia, hoy ny sasany; ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany". Ary hoy Izy tamin’izy ireo: "Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?" Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe: "Ianao no i Kristy". Ary noraràny mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy na amin’iza na amin’iza.

Tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana, sady nataony mazava tsara ny filaza izany. Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy. Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an’i Piera hoe: "Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao, fa araka ny olombelona". Dia nantsoiny ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe: "Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana ka hanaraka Ahy. Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy".

♦ Resin'ny Tanzanie tamin'ny isa 3 noho 2 ny Barean'i Madagasikara omaly... ♦ Namoaka fanapahana ny teo anivon'ny HCC afak'omaly, manoloana ny fahabangan-toerana teo anivon'ny parlemanta... ♦ Any amin'ny ala Antimena : Hiara-hiasa amin'ny famindran-toerana ireo olona monina tsy ara-dalana ao ny CFM sy ny faritra Menabe... 

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara. Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo, na voaloboka amin’ny voaroitsilo. Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany.

Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko? Hasehoko anareo izay azo anoharana ny olona rehetra manatona Ahy ka mihaino ny teniko sy manatanteraka azy: tahaka ny olona anankiray manao trano izy, izay nihady lalina aloha vao nandatsaka ny fototra eo ambonin’ny vatolampy, ka nony tondraka ny rano dia nasian’ny riaka mafy izany trano izany, nefa tsy nampihontsona azy akory izany, satria tsara orina tambony vatolampy izy. Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manaraka, dia tahaka ny olona anankiray nanorina ny tranony eo ambonin’ny tany tsy àry fototra, ka vao nasian’ny riaka, dia nirodana niaraka tamin’izay, ary loza ny faharavan’izany trano izany."

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...