• Vinavinaina hitombo 10 paitrisa ka hahatratra 24 tapitrisa, ny isan'ny ankizy eto Madagasikara amin'ny taona 2050, raha manodidina ny 14 tapitrisa izany ankehitriny...
  • Manampy ny vehivavy sy ny ankizy mba hivoatra eo amin'ny fiainana ny fikambanana Wednesday Morning Group...
  • Hitondra vokatsoa ho an'ny fifanakalozana ara-barotra eo amin'i Madagasikara sy i Eorôpa, ny fiaraha-miasa eo amin'ny Sendikan'ny Indostria eto Madagasikara sy ny Tranoben'ny Varotra sy ny Indostria Frantsa sy Madagasikara...

  • Tanterahina izao antoandro izao eny amin'ny fasan-drazany eny Nandihizana-Mahitsy, ny fandevenana ny namana Rolland Rakotondramasy...
  • Namoaka andiana mpiofana 67 mianadahy manana fahasembanana ny ivon-toeram-panofanana olona manana fahasembanana eny Ampasampito, mpiofana teo ambany fiahian'ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa..
  • Hiady hevitra eny amin'ny lapan'ny tanànan'Antananarivo-renivohitra indray ny zoma 29 novambra izao ireo kandidà ben'ny tanàna, ady hevitra karakarain'ny fikambanana Friederich Stiftung...
  • Tanterahina anio tolakandro ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny fandevenana ny Kardinaly Miguel Angel Guixot, Prefet-'n'ny dicastère misahana ny dinika amin'ny samy finoana...

Ny teknôlôjia dia misy lafiny tsara ho an'ny fanabeazana. Porofon'izany ny fananan'i Madagasikara, ankizivavy miisa telo solontena amin'ny fanehoana tanteta maneran-tany, mikasika ny fikirakirana teknôlôjia. Misy fifandraisany amin'ny zon'ny ankizy anefa ireny fahombiazana ireny. Misy 10isa ny zo fototra ho an'ny ankizy : zo hanana ankohonana, zo hanana anarana, zo hotsaboina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

  • Nankatoavin'ny solombavambahoaka nandritry ny fivoriana hitambaramben'izy ireo omaly talata 26 novambra, ny volavolan-dalàna fankatoavana fampindramam-bola miisa 3...
  • Vehivavy 1 amin'ny 3 no hiaran'ny herisetra na efa niharan'ny herisetra nandritry ny androm-piainany teto Madagasikara, 13,7% ny vehivavy no iharan'ny herisetra ara-nofo...
  • Lehilahy 1 no tra-tehaky ny pôlisy niaraka tamina vola sandoka mitentina 168 tapitrisa Ariary nokasaina hamidiny tany Mananjary...
  • Miroso amin'ny fampitsaharana ny ady any Liban manomboka anio i Israely sy ny Hezbollah, fampitsaharana mandritra ny 60 andro araka ny fampitam-baovaon'i Elysée...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 mey 2025

• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...