• Mety hivadika rivo-doza mahery "Cyclone Tropicale" ilay rivo-doza HONDE ao amin'ny lakan-dranon'i Môzambika. Efa mipaka any amin'ny morontsiraka atsimo-andrefana ny rahona miaraka aminy androany maraina...
  • Nihaona teny Tsimbazaza omaly ny mpikamban'ny Vaomieran'ny Fandriam-pahalemana notarihan'ny filohany sy ny Ministry ny Foloalindahy. Noresahana nandritra izany ny momba ny tsy fandriam-pahalemana amin'ireo Distrika maro manerana ny nosy, sy ny hetahetan'ny vahoaka eny ifotony...
  • Tombanana hatrany amin'ny 1.100.000 isa ny isan'ny mpandeha horaisin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ety Ivato amin'ity taona 2025 ity araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitra...
  • Namaky ady ara-barotra amin'i Eraopa ny fitondran'i Donald Trump. Hoampiharina amin'ireo firenena eraopeana koa y haban-tseranana 25%, ho an'ny entana miditra any Etazonia...

27 febroary — Isan'ireo mponina antsoina hoe "Gaulois" i Honorine ary niaina tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo. Maty martiry tamin'ny taona 303 izy ary natsipy tao amin'ny reniranon'i Seine ny fatiny.

Ny ataon'ireo manodidina dia mahatonga fisalasalana, mahatonga fanilikilihana satria rehefa tsy mifanaraka amin'ny fanaon'ny olona dia voahilika, tsy ara-miaraka. Ao anatin'ny olona ihany no isehoan'ireo karazana ady maro, mahatonga ny fiaraha-monina tsy hifankahazo ; ny tsy hafahaizana mionona no miteraka fitsiriritana sy fakam-panahy... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

27 febroary 2025 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 40-49)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...