♦ Hifarana afaka 3 andro ny fe-potoana fanaterana antotantaratasy ho an'ireo hirotsaka ho fidiana ho solombavambahoaka amin'ny 29 mey 2024. Mbola tsy misy afa-tsy kandidà 1 na 2 no efa nanatitra izany eny anivon'ny OVEC... ♦ Tsy mandeha ny fiainan'ny orinasa JIRAMA, hoy ireo mpiasa ka ilaina ny fanendrena maika tale jeneraly vaovao. Nanao fanambaràna mitaky izany teny Ambohijatovo ambony ireo mpiasa sy ireo sendikàn'ny mpiasa am-polony, omaly... ♦ Efa voavaha ny olana ara-teknika an'ny famatsian-dranon'ny JIRAMA eny Mandroseza. Hiverina anio farafahatarany ny famatsiana ho an'ireo toerana tsy nisitraka izany teto Antananarivo hoy ny Ministry ny rano...

♦ Amin'ny 6 mey izao no hanomboka ny andrana amin'ilay fitaterana an-tariby, ho an'ny ampahany voalohany amin'ny Zotra Volomboasary, mampitohy an'Anosy sy Soarano... ♦ Kandidà maro no nametraka ny antotan-taratasy filatsahan-ko fidiana teny amin'ny OVEC misy ny Distrika hilatsahan'izy ireny, androany... ♦ Efa voavaha ny olana ara-teknika teny Mandroseza, nahatonga ny fahatapahan'ny famatsian-drano, ka hiverina rahampitso ny famatsian-drano ho an'ireo tsy nahazo izany tao Antananarivo Renivohitra...

♦ Notanterahana ny 2 sy ny 3 aprily 2024, teny amin'ny Episcopat Ambatoroka, ny asa famondronana ny hevitra avy amin'ny Diôsezy, famaliana ireo fanontaniana nivoitra tamin'ny Sinaodin'ny Eveka, andiany voalohany, natao tany Rôma ny volana ôktôbra 2023... ♦ Manatanteraka ny “Chapitre Provincial”, andiany faha-11, ety amin'ny Miason Don Bosco Ivato, nanomboka ny alarobia 3 aprily 2024, ny fikambanan-drelijiozy Salezianin'i Don Bosco...

♦ Mampitandrina izay ho kandidà hirotsaka amin'ny anaran'ny antokon'ny fitondrana any amin'ny Faritra Amoron'i Mania, ny fikambanana FATARA, fa tsy hahazo ny vaton'izy ireo intsony, teo anatrehan'ny nanasorana an-dRamatoa Christine Razanamahasoa tsy ho Solombavam-bahoaka... ♦ Misy amin'ireo kôperativa sasany mampitohy ny fitaterana amin'ny Lalam-pirenena faha-6, no nanapa-kevitra tsy hiasa hatramin'ny fotoana nahatapaka ny làlana... ♦ Nanainga androany hiazo ny faritra avaratry ny nosy ireo fanampiana ho an'ireo tra-boina sy nitondra takaitra tamin'ny fandalovan'ny rivodoza Gamane...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...