Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 5, 5-6. 8-13)
Ry malala,
iza àry no maharesy an’izao tontolo izao,
afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra?
Dia Izy no ilay avy tamin’ny rano sy ny ra,
tsy tamin’ny rano ihany,
fa tamin’ny rano sy ny ra, ary ny Fanahy no manambara,
satria ny Fanahy no fahamarinana.
Misy telo no manambara ety an-tany,
dia ny Fanahy sy ny rano sy ny ra;
ary mifanaraka tsara izy telo ireo.
Raha ny fanambaràn’ny olona aza raisintsika
mainka fa ny fanambaràn’Andriamanitra,
izay lehibe lavitra;
ary ny fanambaràn’Andriamanitra,
dia ny nanambaràny ny Zanany indrindra.
Koa izay mino ny Zanak’Andriamanitra
dia manana izany fanambaràna izany ao anatiny;
fa izay tsy mino kosa
dia mampandainga an’Andriamanitra
satria tsy mino ny fanambaràny ny Zanany.
Ary izany fanambaràna izany dia izao:
nomen’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay isika,
ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany.
Koa izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana;
fa izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra kosa,
dia tsy manana ny fiainana.
Izaho no nanoratra izany aminareo,
dia ny mba hahafantaranareo
fa manana ny fiainana mandrakizay ianareo
izay mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20
Ry Jerosalema, aoka ianao hiantsa,
derao Andriamanitra, ry Siôna!
Ilay manamafy ny vavahady,
miahy ireo ankizy ao anatinao.
Miantoka anao handry fehizay,
manetsaka anao mena-bary kanto:
mandefa ny didiny ho etý an-tany,
dia teny miriotra tsy hay tohaina.
Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
ny didy aman-tsatany ho an’i Israely!
Tsy misy olon-kafa nomeny izany:
ny satany manko nafeniny azy.
Aleloia. Aleloia.
Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga Zanak’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk 1, 6b-11)
Tamin’izany andro izany,
nitory teny i Joany Batista, ka nilaza hoe:
“Avy aoriako Ilay mahery noho Izaho,
ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehinkapany akory aho.
Izaho nanao batemy anareo tamin’ny rano,
fa Izy kosa hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina.”
Ary tamin’izany andro izany,
dia tonga avy any Nazareta, tanànan’i Galilea i Jesoa,
ka nataon’i Joany batemy tao Jordany.
Raha vao niala avy tao anaty rano Izy,
dia nahita ny lanitra nisokatra,
sy ny Fanahy Masina nidina tahaka ny voromailala,
nankeo amboniny,
ary nisy feo re avy tany an-danitra nanao hoe:
“Ianao no Zanako malalako,
Ianao no ankasitrahako.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 3, 11-21)
Ry malala,
araka ny teny azo sy renareo hatramin’ny voalohany
dia tsy maintsy mifankatia isika,
fa tsy mba hanahaka an’i Kaina
izay avy amin’ilay ratsy
ka namono nahafaty ny rahalahiny.
Ary ahoana moa no namonoany azy?
— Dia satria ratsy ny asany,
fa ny an’ny rahalahiny kosa dia marina.
Aza gaga, ry rahalahy,
raha halan’izao tontolo izao ianareo.
Isika dia mahalala fa niala tamin’ny fahafatesana
ho amin’ny fiainana, satria tia rahalahy.
Izay tsy tia kosa
mitoetra ao amin’ny fahafatesana.
Izay rehetra mankahala ny rahalahiny,
dia mpamono olona,
ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona
manana ny fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
Izao no nahafantarantsika ny Fitiavana:
nahafoy ny Ainy ho antsika Izy.
Koa tsy maintsy mahafoy ny aintsika
ho an’ny rahalahy koa isika.
Raha misy manankarena amin’izao fiainana izao,
ka mahita ny rahalahiny mahantra,
nefa mihirim-belona aminy,
ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?
Anaka,
aza tia am-bava sy amin’ny teny fotsiny,
fa amin’ny asa sy amin’ny fo tokoa.
Izany no hahafantarantsika
fa avy amin’ny marina isika,
sy hahazoantsika mampatoky ny fontsika
eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa raha ny fontsika aza
manameloka antsika,
mainka fa Andriamanitra,
izay lehibe noho ny fontsika,
sady mahalala ny zavatra rehetra.
Ry malala,
raha tsy manameloka antsika ny fontsika,
dia mahazo manatona an’Andriamanitra amin-toky isika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 99, 2. 3. 4. 5
Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo,
ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy, mihira miravo!
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra,
fa Azy isika satria nohariany.
Sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
ny ao an-kianjany idiro amin-dera.
Derao Izy Tompo, ny Anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo.
Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.
Aleloia. Aleloia.
Fahiny tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra tamin’ny vavan’ny mpaminany, fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 43-51)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia niroso nankany Galilea,
ary nifanena tamin’i Filipo Izy
ka nanao taminy hoe:
“Manaraha Ahy.”
Avy ao Betsaïda,
tanàna niavian’i Andre sy i Piera ihany koa i Filipo.
I Filipo kosa nifanena tamin’i Natanaely
ka nanao taminy hoe:
“Efa hitanay ilay voalazan’i Môizy
tao amin’ny Lalàna sy nambaran’ny mpaminany,
dia i Jesoa zanak’i Jôsefa avy any Nazareta.”
Ka hoy i Natanaely taminy:
“Moa mba mety hisy zava-tsoa va
avy any Nazareta?”
Dia hoy i Filipo taminy:
“Avia, ary zahao.”
Nony nahita an’i Natanaely
tamy nanatona Azy i Jesoa,
dia nilaza azy hoe:
“Io no tena Israelita tokoa,
izay tsy misy fitaka.”
Ka hoy i Natanaely taminy:
“Ahoana no nahalalanao ahy?”
Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao,
dia hitako tao ambanin’ny aviavy ianao.”
Dia namaly Azy i Natanaely ka nanao hoe:
“Raby ô,
Ianao no Zanak’Andriamanitra,
Ianao no Mpanjakan’i Israely.”
Ary hoy i Jesoa taminy.
“Mino ianao satria nilazako
fa hitako tao amin’ny ambanin’ny aviavy ianao;
mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao.”
Dia hoy koa Izy:
“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa hahita ny lanitra misokatra
sy ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina
ao ambonin’ny Zanak’Olona ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny safidy ihany sy ny fanajana azy no ahitana filaminana, fandrosoana ary fahatsaram-piainana. Maniry ny Malagasy mba hanana safidy ary hanaja ny safin'ny hafa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Boky Jenezy (Jen. 15, 1-6; 21, 1-3)
Tamin’izany andro izany,
dia tonga tamin’i Abrahama tamin’ny fahitana,
ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Aza matahotra, ry Abrahama,
fa Izaho no ampinganao,
ary ho lehibe indrindra ny valisoanao”.
Fa hoy ny navalin’i Abrahama:
“Andriamanitra Tompo ô,
inona no homenao ahy?
Fa izaho dia lasa tsy hiteraka,
ka ny mpandova ny tranoko dia i Eliezara avy any Damasy”.
Ary hoy i Abrahama:
“Tsy nomenao fara handimby aho,
ka dia lehilahy mipetraka amin’ny fianakaviako
no ho mpandova ahy”.
Tamin’izay dia tonga taminy ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Tsy izy io no mpandova anao,
fa ilay haloaky ny kibonao no ho mpandova anao”.
Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe:
“Atopazo hijery ny lanitra ny masonao,
ka isao ny kintana raha mahisa azy ianao”;
ary hoy izy taminy:
“Ho tahaka izay ny taranakao”.
Ary nino ny Tompo i Abrahama,
ka neken’ny Tompo ho fahamarinany izany...
Namangy an’i Sarà ny Tompo,
araka ilay efa voalazany,
notanterahin’ny Tompo tamin’i Sarà ny efa nampanantenainy.
Nanana anaka i Sarà
ka tera-dahy tamin’i Abrahama tamin’ny fahanterany,
nony tonga ny fotoana nolazain’Andriamanitra azy.
Ary ny anaran’ilay zaza teraka taminy,
naterak’i Sarà taminy dia nataon’i Abrahama hoe Isaaka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 104
Derao ny Tompo, antsao ny Anarany;
lazao ny vahoaka ny asany ambony.
Hirao Izy, antsao:
vetsoy ny asany mahavariana.
Ireharehao ny Anarany masina,
ny fon’ny mpitady Azy miravoa,
katsaho ny Tompo sy ny heriny,
tadiavo lalandava ny Tavany.
Tsarovy ny asany mahatalanjona,
ny fahagagany, ny fitsaràn’ny vavany,
ry taranak’i Abrahama mpanompony,
ry zanak’i Jakôba, ianareo voafidiny.
Tsarovy mandrakizay ny fanekeny,
teny nomeny taranaka arivo,
niantohany tamin’i Abrahama,
nianiànany tamin’i Isaaka.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (He 11, 8. 11-12. 17-19)
Ry kristianina havana,
ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy,
handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova,
ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay halehany...
Ny finoana koa no nahazoan’i Sarà hery hanana anaka,
na dia efa antitra tsy tokony hiteraka intsony aza izy,
satria nino izy fa mahatoky Ilay nampanantena.
Koa dia taranaka maro toy ny kintana eny an-danitra,
sy tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina
no avy amin’ny olona anankiray izay efa toy ny maty...
Ny finoana no nanoloran’i Abrahama an’i Isaaka ho sorona,
raha nozahan-toetra izy.
Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana, sy nilazana hoe:
Avy amin’i Isaaka no hiavian’ny taranakao;
eny, natolony io zanany lahy tokana io;
satria ninoany fa na dia maty aza izy,
dia hain’Andriamanitra atsangana,
ka dia noraisiny indray ny zanany,
ary tandindon-javatra izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia, aleloia.
Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 22-40)
Rehefa tapitra ny andro fidiovany araka ny lalàn’i Môizy,
dia nentin’ny ray aman-dreniny i Jesoa ho any Jerosalema,
mba hatolotra ny Tompo,
araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàn’ny Tompo hoe:
“Ny lahy voalohan-teraka rehetra
dia hatao hoe masina ho an’ny Tompo”,
ary mba hanatitra fanatitra domohina roa,
na zana-boromailala roa,
araka ny voalaza ao amin’ny Lalàn’ny Tompo.
Ary indro, nisy Iehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema;
ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany,
ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely
ary tao aminy ny Fanahy Masina,
sady efa nanambaràn’ny Fanahy Masina izy
fa tsy hahita fahafatesana mandra-pahitany an’i Kristin’ny Tompo.
Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny Tempoly,
ka nony nitondra an’i Jesoa Zazakely ny rainy aman-dreniny
hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy,
dia nitrotro Azy izy ka nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe:
“Ankehitriny, ry Tompo,
vao alefanao am-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao,
fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao,
izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra,
dia fahazavana hanilo ny Jentily sady voninahitr’i Israely olonao”.
Dia gaga ny ray aman-drenin’ny Zaza
noho ny zavatra nolazaina ny aminy.
Ary nitsodrano azy ireo i Simeôna
ka nilaza tamin’i Maria Renin’ny Zaza hoe:
“Indro, ity Zaza ity,
no voatendry ho fandavoana
sy ho fananganana ny maro amin’i Israely
ary ho famantarana hotoherina
— ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra —
mba hiseho ny hevitry ny fo maro.”
Ary nisy koa mpaminany vavy anankiray,
dia i Ana, zanak’i Fanoela fokon’i Asera;
efa antitra dia antitra izy,
dia fito taona no nanambadiany taorian’ny naha-virjiny azy,
ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona,
sady tsy niala tao amin’ny Tempoly,
fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina
tamin’ny fifadiankanina sy fivavahana.
Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany,
ka nidera an’Andriamanitra,
ary nilazalaza ny Zaza
tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema.
Ary nony tanterak’izy ireo
ny zavatra rehetra araka ny Lalàn’ny Tompo,
dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy.
Ary nitombo sy nihanatanjaka ny Zaza
sady feno fahendrena,
ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia, aleloia.
Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 22. 39-40)
Rehefa tapitra ny andro fidiovany araka ny lalàn’i Môizy,
dia nentin’ny ray aman-dreniny i Jesoa ho any Jerosalema,
mba hatolotra ny Tompo.
Ary nony tanterak’izy ireo
ny zavatra rehetra araka ny Lalàn’ny Tompo,
dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy.
Ary nitombo sy nihanatanjaka ny Zaza
sady feno fahendrena,
ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco