Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 61, 1-2a. 10-11)

Ho revon-kafaliana ao amin’ny Tompo aho.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo,
satria voahosotry ny Tompo aho;
nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra,
hamehy ny ferin’ireo torotoro fo;
hampandre amin’ny babo fa afaka, sy ny ao an-tranomaizina
fa alefa hitory taom-pahasoavana anankiray ho an’ny Tompo.
Ho revon-kafaliana eo amin’ny Tompo aho,
ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko,
satria notafiany fitafiam-pamonjena aho
ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana,
toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany;
toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.
Fa toy ny ampanirian’ny tany ny tsimoka eo aminy,
sy toy ny ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy,
no ampanirian’ny Tompo Andriamanitra ny fahamarinana sy ny fiderana,
eo anatrehan’ny firenena rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Lk. 1, 46-48. 49-50. 53-54

Hiravoravo ao amin’Andriamanitra ny foko.

Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,
ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny aiko:
fa nojereny ity ankizivaviny tsinontsinona,
ka hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho.

Nanao zava-dehibe tamiko ilay Mahefa,
ilay antsoina hoe “Ny Masina”,
ilay tia an’izay matahotra azy
amin’ny taona mifandimby.

Ireo noana vokisany soa,
ny manana ataony mody maina.
Nanarina an’i Israely mpanompony Izy,
fa tsaroany ny teniny tamin’ny razantsika.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 5, 16-24)

Hotahiriziny tsy hanan-tsiny ho amin’ny fahatongavan’ny Tompo ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny vatanareo.

Ry kristianina havana,
mifalia mandrakariva;
mivavaha lalandava;
ary misaora amin’ny zavatra rehetra,
fa izany no sitra-pon’Andriamanitra,
ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.
Aza mamono ny Fanahy;
aza manamavo ny faminaniana,
fa zahao toetra ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara;
fa fadio kosa na dia izay mitarehin-javatra ratsy fotsiny aza.
Ary Andriamanitry ny fiadanana anie
hanamasina ny tenanareo manontolo,
ka hotahiriziny tsy hanan-tsiny
ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika avokoa ny fanahinareo
sy ny ainareo ary ny vatanareo.
Tsy mivadika Ilay niantso anareo,
ka Izy ihany koa no hanefa izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 6-8. 19-28)

Eo afovoanareo misy Olona anankiray izay tsy fantatrareo.

Nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra,
Joany no anarany;
tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy,
mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny.
Tsy izy anefa no Fahazavana
fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy.
Ary izao no nambaran’i Joany
raha naniraka mpisorona sy Levita, avy tany Jerosalema,
hankany aminy ny Jody mba hanontany azy hoe:

“Iza moa Ianao?”

Nilaza marina izy ka tsy nandà, fa nanao hoe:

“Tsy i Kristy aho”.

Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe:

“Iza àry?
i Elia va ianao?”

Fa hoy izy:

“Tsy izy aho”.

Ary hoy ihany izy ireo:

“Ilay mpaminany va ianao?”

Fa hoy ny navaliny:

“Tsia”.

Ka hoy izy ireo taminy:

“Iza àry ianao,
mba hitondranay valy amin’izay naniraka anay?
Ataonao ho iza ny tenanao?”

Dia hoy izy:

“Izaho no feo miantso any an’efitra hoe:
Ahitsio ny lalan’ny Tompo,
araka izay voalazan’i Izaia mpaminany”.

Ary Farisianina ireo iraka ireo.
Dia nanontany azy indray ireo ka nanao taminy hoe:

“Nahoana àry ianao no manao batemy
raha tsy i Kristy, na i Elia, na ilay Mpaminany?”

Ka novalian’i Joany hoe:

“Izaho manao batemy amin’ny rano;
fa eo aminareo misy anankiray tsy fantatrareo,
dia Ilay avy ao aoriako,
ary tsy mendrika hamaha ny kofehikapany aza aho”.

Tany Betania andafin’i Jordany,
izay nanaovan’i Joany batemy,
no natao izany zavatra izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo : amboary ny lalan'ny Tompo ; ahitsiho ny alehany dia hahita ny famonjen'Andriamanitra ny nofo rehetra. Hoy i Izaia hoe : misava lalana any an'efitra ho an'ny Tompo, manorenana arabe any amin'ny tany lavavolo ho an'Andriamanitra, ao ny lohasaha rehetra hasandratra ; izany dia taratry ny fiomanana amin'ny Fiavian'ny Tompo, fa eto izy dia mihendrika sarin-teny. Ny fotoanan'ny Fiavian'ny Tompo dia hanomezan'Andriamanitra ny olon-drehetra ny fankaherezana...

♦ Nankalazaina androany ny fetin’i Masina Maria tsy voakasi-pahotana tamin’ny fototra, nandritra izany no namoahana ny andiany Avotra tao amin’ny Centre d’Autonomisation des Femmes, iandraiketan’ny fikambanan’ny Masera FMA Ampasanimalo… ♦ Nanatanteraka fivoriam-be fanao isan-taona teny amin’ny Episcopat Ambatoroka ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Eokomenisima eto Madagasikara ny 06 sy 07 desambra 2023… ♦ Nitondra ny tenin’ireo tena marefo tsy afaka nanatrika ny COP 28, ny sampana katôlika…

Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany (Iz 35, 1-10)

Andriamanitra mihitsy no ho avy ka hamonjy anareo.

Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina,
hiravoravo ny tany lemaka lava volo,
ary hamony tahaka ny narisisa;
hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana
ary hanao hoby firavoravoana izy.
Homena azy ny voninahitr’i Libàna
mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna.
Izy ireo hahita ny voninahitry ny Tompo,
sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.
Hatanjaho ny tanana osa,
herezo ny lohalika mangozohozo!
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe:

“Makà hery fa aza matahotra.
Inty ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana,
famalian’Andriamanitra,
Tenany no avy, dia hamonjy anareo.”

Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba,
halady ny sofin’ny marenina.
Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa,
hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana.
Fa hisy rano miboiboika any an’efitra,
ary sakeli-drano eny amin’ny tany lemaka lava volo.
Ny tany hay, hanjary ho farihy,
ary ny tany mangentana ho loharano.
Ny lavaka fonenan’ny amboadia
hanjary saham-bolotara aman-jozoro.
Hisy arabe, hisy lalana,
izay hatao hoe ny lalana masina;
ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo;
fa ho azy ireo ihany izy io;
izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily.
Ao tsy mba hisy liona,
tsy hisy biby masiaka mandia ao, tsy hisy ho hita ao.
Fa ny voavonjy no hizotra ao
ary ny navotan’ny Tompo no ho tonga ao indray;
ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo;
firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany;
fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy,
fa ny sento amam-pijaliana handositra.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 84, 9ab-10. 11-12. 13-14

Inty ny Andriamanitsika izay tonga hamonjy antsika.

Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo
mirary fiadanana ho an’ireo tiany,
mirary fiadanana ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.
Akaiky izay mino Azy Tompo
ny vonjy honenan’ny lazany ety amintsika.
Koa indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana.
Ny rariny ombam-piadanana hatrany,
ny hitsiny hita mitsiry amin’ny tany.
Mitsinjo avy eny amin’ny rahon’ny lanitra kosa ny rariny.
Handrotsaka orana anie Izy Tompo,
izay hampamokatra tsara ny tany.
Fa lalan-kizoran’ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitra ô; ny tavanao aseho, dia ho voavonjy izahay!

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka (Lk 5, 17-26)

Nahita zava-mahagaga isika androany.

Indray andro, raha nampianatra i Jesoa,
dia nipetraka nanodidina Azy teo koa
ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna sasany
avy tamin’ny tanàna rehetra tany Galilea sy Jodea
mbamin’i Jerosalema,
ary tao aminy hanasitranany ny marary
ny herin’ny Tompo.
Dia indro nisy olona
nitondra lehilahy malemy anankiray tamin’ny fandriany
ka nitady hampiditra sy hametraka azy teo anatrehany;
fa tsy nahita izay hampidirany azy izy ireo
noho ny habetsahan’ny olona,
ka niakatra teo ambonin’ny tafon-trano izy
ary nanesorana ny tafo
dia nampidininy teo afovoan’ny olona
teo anatrehan’i Jesoa ralehilahy mbamin’ny fandriany.
Nony nahita ny finoan’izy ireo i Jesoa, dia nanao hoe:

“Ralehilahy, voavela ny helokao.”

Tamin’izany ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina
dia nisaintsaina anakampo nanao hoe:

“Iza moa ity miteny ratsy toy izao ity?
Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery.”

Fa fantatr’i Jesoa ny heviny, ka hoy Izy taminy:

“Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo?
Inona no mora holazaina kokoa, ny hoe:
Voavela ny helokao;
sa ny hoe: Mitsangàna ka mandehana?
Ary mba ho fantatrareo fa manam-pahefana
hamela heloka ety an-tany ny Zanak’Olona,
dia izao no lazaiko aminao, hoy Izy tamin’ilay malemy:
Mitsangàna, ento ny fandrianao,
ary modia any an-tranonao.”

Niaraka tamin’izay
dia nitsangana teo imason’ny olona izy,
ary nitondra ny farafara nandriany
ka lasa nody any an-tranony
nankalaza an’Andriamanitra.
Nitolagaga avokoa izy rehetra
ka sady nankalaza an’Andriamanitra
no raiki-tahotra nanao hoe:

“Nahita zava-mahagaga isika androany.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...