Taratasy voalohany nosoratan'i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 2, 3-11)
Anaka, izao no ahafantarantsika,
fa mahalala an’i Jesoa isika,
dia raha mitandrina ny didiny isika.
Izay milaza ho mahalala Azy,
nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga,
ary tsy ao anatiny ny marina.
Fa izay mitandrina ny didiny,
no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa;
ary amin’izany no ahafantarana fa ao aminy isika.
Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy,
dia tsy maintsy mandeha toy ny nandehanany koa.
Ry malala,
tsy didy vaovao no soratako aminareo,
fa didy ela izay efa azonareo hatramin’ny voalohany:
ary izany didy ela izany dia ilay teny efa renareo teo.
Didy vaovao ihany koa anefa no soratako aminareo,
izay hita marina amin’i Kristy sy aminareo,
fa efa misava ny haizina,
ary miposaka sahady ny fahazavana marina.
Izay milaza azy ho ao amin’ny fahazavana,
nefa mankahala ny rahalahiny,
dia mbola ao amin’ny haizina ihany.
Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ny mazava,
ka tsy misy fanafintohinana ao aminy.
Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao anatin’ny haizina
sy mandeha amin’ny maizina,
ka tsy mahalala izay halehany,
fa voajamban’ny haizina ny masony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 95, 1-2a. 2b-3. 5b-6
Ikaloy ireo hira vaovao
ho an’ny Tomponao, ry manana aina!
Ny fisaorana
aoka hanakoako!
Isan’andro vaky dia torio:
itony vonjy nentiny lazao,
mba handre daholo
ny eran-tany.
Ny habakaba-manga dia nataony,
ka ny lapa masiny tazano,
fa mitemitra
ilay fahefany.
Aleloia. Aleloia.
Andro masina no mamirapiratra ho antsika: avia, ry vahoaka, hitsaoka ny Tompo, fa hazavana lehibe no tonga eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 22-35)
Rahefa tapitra ny andro fidiovana araka ny lalàn’i Môizy,
dia nentin’ireo ray aman-dreniny ho any Jerosalema i Jesoa
mba hatolotra amin’ny Tompo,
araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàn’ny Tompo hoe:
“Ny lahy voalohan-teraka rehetra dia hatao hoe:
masina ho an’ny Tompo”,
ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromailala roa,
araka ny voalaza ao amin’ny Lalàn’ny Tompo.
Ary indro,
nisy lehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema,
ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany
ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely,
ary tao aminy ny Fanahy Masina
sady efa nanambaran’ny Fanahy Masina izy
fa tsy hahita fahafatesana mandra-pahitany an’i Kristin’ny Tompo.
Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny tempoly,
ka nony nitondra an’i Jesoa zazakely ny rainy aman-dreniny
hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy,
dia nitrotro Azy izy
ka nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe:
“Ankehitriny, ry Tompo,
vao alefanao amim-piadanana
araka ny teninao ny mpanomponao,
fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao,
izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra,
dia fahazavana hanilo ny Jentily
sady voninahitr’i Israely olonao.”
Dia gaga ny ray aman-drenin’ny zaza
noho ny zavatra nolazaina ny aminy.
Ary nitso-drano azy ireo i Simeôna,
ka nilaza tamin’i Maria renin’ny Zaza hoe:
“Indro, ity Zaza ity no voatendry
ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin’i Israely
ary ho famantarana hotoherina,
— ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra,
— mba hiseho ny hevitry ny fo maro.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 7, 1-5. 8b-11. 16)
Nony efa niorina tsara tao an-tranony i Davida mpanjaka,
sady nomen’ny Tompo fandriam-pahalemana tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina azy,
dia hoy ny mpanjaka tamin’i Natàna mpaminany:
“Jereo ange!
izaho mitoetra an-trano sedera,
ary ny Fiaran’Andriamanitra mitoetra ao afovoan’ny lay!”
Ka hoy i Natàna, namaly ny mpanjaka:
“Andeha ataovy izay rehetra ao am-ponao,
fa momba anao ny Tompo”.
Ny alin’izay ihany,
dia tonga tamin’i Natàna ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Mandehana lazao amin’ny mpanompoko,
amin’i Davida hoe:
Izao no lazain’ny Tompo:
Ianao ve no hanao trano hitoerako?
Tany an-tanim-bilona tao aorian’ny ondry no nangalako anao
ho andriana amin’ny vahoakako, amin’i Israely,
ary izay nalehanao, nombako anao avokoa;
ny fahavalonao rehetra,
naringako teo anoloanao.
Ny anaranao hataoko malaza toy ny anaran’ny olo-malaza ambonin’ny tany.
Hanokan-toerana ho an’ny vahoakako, ho an’i Israely Aho,
dia hampiorina azy eo, ka honina ao aminy izy,
ary handry tsy amin’ahiahy,
fa tsy hampahorin’ny zanaky ny faharatsiana toy ny taloha intsony,
sy toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara hifehy an’i Israely vahoakako.
Hanome anao fialan-janona tony,
ho afaka amin’ny fahavalonao Aho.
Ary lazain’ny Tompo aminao fa hananganany trano ianao.
Ary ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao sy ny fanjakanao
eo anatrehako mandrakizay,
ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 88, 2-3. 4-5. 27 sy 29
Ny fitiavanao, ry Tompo,
hohiraiko mandrakizay;
ny fahamarinanao
hambarako amin’ny taona rehetra.
“Vavako no niteny, hoy Ianao:
Voaorina mandrakizay ny fitiavako,
ary ny fahamarinako
voajoro ho toy ny lanitra!”
“Nanaovako fanekena ilay voafidiko;
i Davida mpanompoko, nianianako:
Ajoroko ho mandrakizay ny taranakao,
ny fiketrahanao aoriko ho lalandava!”
Ianao no Raiko, hoy izy miantso Ahy,
Vatolampy famonjena ahy sy Andriamanitro!
Ny fitiavako hotanako aminy mandrakizay,
ho azony antoka tokoa ny fanekeko.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 16, 25-27)
Ry kristianiana havana,
ho an’Ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko,
izay nitoriana an’i Jesoa Kristy
sy nanambaràna ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay,
(fa voaseho ankehitriny tamin’ny soratry ny mpaminany,
araka ny didin’Andriamanitra mandrakizay,
ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana)
dia ho an’Andriamanitra,
Ilay hany hendry indrindra anie,
ny voninahitra mandrakizay mandrakizay,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Inty aho mpanompovavin’ny Tompo aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 26-38)
Tamin’izany andro izany,
dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely
ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta
ho any amin’ny Virjiny anankiray fofom-badin’ny lehilahy atao hoe Jôsefa,
taranak’i Davida,
ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria.
Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe:
“Arahaba, ry ilay feno hasoavana;
ny Tompo ao aminao;
nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao”.
Taitra izy nahare izany,
ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany.
Fa hoy ny Anjely taminy:
“Aza matahotra, ry Maria,
fa sitrak’Andriamanitra ianao,
ka hiteraka Zazalahy,
ary Jesoa no hataonao Anarany.
Ho lehibe Izy ka hatao hoe:
Zanaky ny Avo indrindra;
dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy,
ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba,
ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany”.
Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely:
“Ahoana no hahatongavan’izany,
fa tsy mahalala lahy aho?”
Hoy ny Anjely namaly azy:
“Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao,
ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao;
noho izany dia hatao hoe:
Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.
Ary indro i Elizabeta rahavavinao
fa efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza,
ary efa mandray enina izy izao
ilay natao hoe momba,
fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao”.
Dia hoy i Maria:
“Inty aho ankizy vavin’ny Tompo,
aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao”.
Dia niala teo aminy ny Anjely.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Manomboka izao dia afaka misafidy ny andro hankalazana ny JMJ isan-Distrika, ny ao amin'ny Diôsezin'i Farafangana: na ny andron'ny Sampankazo, na ny andron'i Kristy Mpanjaka, araka ny fanentanana nataon'ny Evekan'izy ireo... ♦ Nankalaza ny faha-30 taonany ny Oratorio Ivato, omaly alahady... ♦ Nanentana ny rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angélus, mba hikatsaka ny fahanginana, ary hanafaka ny tena amin'ireo zavatra tsy dia ilaina loatra...
Boky voalohan’i Samoela 1, 24-28
Tamin’izany andro izany,
nony efa notazan’i Annà, reniny, i Samoela,
dia nentiny niakatra niaraka taminy,
sady naka vantotr’ombilahy telo
sy lafarina iray efah ary divay eran’ny siny hoditra izy;
dia nentiny nankao an-tranon’ny Tompo tao Silao izy.
Mbola tanora kely ny zaza.
Dia novonoin’izy ireo ny vantotr’ombilahy iray,
ary nentiny nankao amin’i Helî ny zaza.
Ka hoy i Annà:
“Aza mahafady, tompoko.
Raha velona koa ny ainao, tompoko, dia izaho ilay vehivavy
nitoetra teto akaikinao nivavaka tamin’ny Tompo.
Ny hahazoako ity zaza ity no nangatahiko
ary neken’ny Tompo ny fangatahana nataoko taminy.
Koa inty koa aho, mahafoy azy ho an’ny Tompo;
nafoy ho an’ny Tompo izy amin’ny andro hiainany rehetra.”
Dia niankohoka teo anatrehan’ny Tompo izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky voalohan'i Samoela 2, 1. 4-5. 6-7. 8
Endrey ny hafaliako manana ny Tompo!
Ny lohako nitanondrika mitraka.
Ka indro aho misoka-bava hiaro tena.
Mifaly aho, ry Tompo, fa voavonjinao.
Ny olo-mahery tapaka tsipîka,
ny osa kanefa miatrana aman-kery.
Ny voky nasainy miasa mikarama,
ny noana kanefa homana tsy miasa.
Ny momba nomeny zanaka amam-para,
kanefa ny maro anaka malazo.
Mamono ary koa mamelona ny Tompo:
mampidina sy mampakatra ny maty,
mampanana sy mandevona ny Tompo,
mampietry Izy fa manandratra avy hatrany.
Alàny tsy ho eo am-bovoka ny ory,
akariny avy eo am-pako ny mahantra,
ka indro nomeny toerana mpanjaka,
tolorany fiketrahana mihaja.
Aleloia. Aleloia.
Ry ilay Fahendrena izay mandahatra ny zavatra rehetra amin-kery sy amin-kalemem-panahy, avia mba hampianatra anay ny lalan’ny fahamarinana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 46-56)
Tamin’izany andro izany,
i Maria nisaotra ny Tompo nanao hoe:
“Mankalaza ny Tompo ny fanahiko;
ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko,
fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizivaviny.
Fa indro, hatramin’izao,
dia hataon’ny taranaka rehetra hoe: sambatra aho,
satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa.
Ary masina ny Anarany,
sady amin’izay matahotra Azy
hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony.
Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy;
dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony;
naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy,
fa ny ambany kosa nasandrany;
ary ny noana novokisany soa,
fa ny mpanankarena kosa, dia nampodîny nitondra tanam-polo.
Niahy an’i Israely mpanompony Izy,
fa tsy hadinony ny famindram-pony
tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay,
araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika.”
Nitoetra tokony ho telo volana
tao amin’i Elizabeta i Maria
vao nody tany an-tranony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco