Boky voalohan’i Makabeo (1 Makab. 6, 1-13)
Tamin’izany andro izany,
i Antiôkosa mpanjaka, nitety ireo faritany avo.
Nony reny fa any Persa, any amin’i Elimaida,
misy tanàna anankiray malaza amin-karena,
be volafotsy sy volamena,
manan-tempoly be zava-tsarobidy,
misy fiadiana volamena, fiarovan-tratra,
fiadiana navelan’i Aleksandra, zanak’i Filipo,
mpanjakan’i Masedoàna,
ilay nanjaka voalohany tamin’ny Greka,
dia nankany izy, ka nitady haka sy hamabo ny tanàna,
kanjo tsy nahomby izy,
fa fantatr’ireo tompon-tanàna ny fikasany.
Nitsangan-kiady aminy ireo,
dia vaky nandositra izy, sy nihataka tamin’alahelo lehibe,
hiverina ho any Babilôna.
Tamin’izay nisy iraka tonga tany Persa
nilaza taminy ny faharesen’ireo miaramila niditra tamin’ny tanin’i Jodà, fa hoe:
Nony nandroso nitondra tafika lehibe dia lehibe i Lisiasa,
dia voatery handositra teo anoloan’ny Jody,
ka ireo kosa nampitombo ny heriny tamin’ny fiadiana
mbamin’ny miaramila sy ny babo azony tamin’ny tafika resy;
noravany ny fahavetavetana natsangany teo ambonin’ny ôtely, tany Jerosalema,
nohodidininy manda avo toy ny taloha indray ny tempoly;
toy izany koa no nataony tany Betsora,
anankiray amin’ny tanànany.
Raha nandre izany vaovao izany ny mpanjaka,
dia azon-tahotra mafy sy notsindrian-tebiteby lozan-tany,
ka nidaboka teo amin’ny fandriany, sy nandraikinararin’alahelo,
fa tsy tanteraka ny faniriany.
Andro maro izy teo ihany,
ary nihonaka lava tamin’ny fahorian-tsainy lalina.
Nony nataony fa efa antomotra ny hahafatesany,
dia niantso ireo sakaizany izy, sy nilaza taminy hoe:
“Ny torimaso nandao ny masoko,
ary ny alahelo mandreraka ny foko, ka hoy aho anakampo:
Alahelo lehibe manao ahoana itý mahazo ahy,
ary hantsan-dalina manao ahoana itý nilatsahako izao?
Ilay izaho tsara fo sy tiana teo amin’ny fanjakako teo iny!
Tsaroako anefa izao ny ratsy nataoko tany Jerosalema
fa nentiko avokoa ny fanaka volamena sy volafotsy hita tao,
ary nandefa tafika aho handringana, tsy misy antony,
ny mponina rehetra tany Jodà.
Koa fantatro fa noho izany no niharan’izao loza izao amiko,
ary indro aho ho faty amin’alahelo lehibe,
atý an-tanin’olon-kafa.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 9, 2-3. 4 sy 6. 16b sy 19
Midera ny Tompo amin’ny foko tontolo aho,
mitanisa ny asanao mahagaga rehetra,
mifaly sy miravo ao aminao,
miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.
Rafitra mianòtra ny fahavaloko,
mivena sy ringana anoloanao.
Faizinao ireo firenena; aringanao ny olon-dratsy;
ny anarany kosehinao ho faty mandrakizay!
Ireo firenena, lavo an-kady nohadìna;
ny tongony, voasingotry ny harato nafenina!
Ny mahantra kosa tsy ho hadino lalandava;
ny fanantenan’ny ory tsy ho diso mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 20, 27-40)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny sasany tamin’ny Sadoseanina,
izay mandà ny fitsanganan’ny maty,
ka nanontany Azy nanao hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
i Môizy nanome lalàna ho antsika hoe:
Raha misy lehilahy manambady ka maty momba,
dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny,
mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
Koa nisy olona fito mirahalahy,
ary nanambady ny zokiny, ka maty momba.
Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa.
Nanaraka izany dia nanambady azy indray ny fahatelo,
ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy,
fa maty momba daholo.
Farany, dia maty koa ravehivavy.
Koa ho vadin’iza ravehivavy raha mby amin’ny fitsanganan’ny maty?
fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Ny zanak’izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina;
fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy
sy ny fitsanganan-ko velona kosa,
dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina,
ary tsy mety maty intsony izy,
fa tahaka ny anjely sady zanak’Andriamanitra,
satria zanaky ny fitsanganan-ko velona.
Ary raha ny hoe hitsangana ny maty,
dia zavatra efa nambaran’i Môizy teo amin’ilay nilazany ny Voaroy izany,
fa tamin’io izy dia niantso ny Tompo hoe:‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.’
Koa velona eo anatrehany izy rehetra ireo,
satria tsy mba Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona.”
Dia namaly ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna ka nanao taminy hoe:
“Ry Mpampianatra ô, marina ny filazanao.”
Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika noho ny tsy fahaizana manaja ny safidin'ny hafa. Ny fanajana safidy dia mitondra filaminana sy fahatsaram-piainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Boky voalohan’i Makabeo (1 Makab. 4, 36-37. 52-59)
Tamin’izany andro izany,
hoy i Jodasa sy ireo rahalahiny:
“Efa resy itý ny fahavalontsika,
ka ndeha amin’izao hiakatra hanadio ny tempoly sy hitokana azy indray.”
Dia nivory ny tafika manontolo,
ka niakatra ho any an-tendrombohitra Siôna.
Dia nifoha maraina koa izy,
tamin’ny andro fahadimy amby roapolon’ny volana fahasivy,
izay volana atao hoe Kasleo,
tamin’ny taona fahavalo amby efapolo amby zato,
ka nanatitra sorona,
araka ny lalàna teo ambonin’ny ôtelin-tsorona dorana vaovao izay narafiny.
Tamin’ny volana sy ny andro nandotoan’ny firenena ny ôtely indrindra
no nanamasinana azy indray, tamin’ny hiran’ny salamo,
sy tamin’ny feon’ny harpa aman-dokanga sy kipantsona.
Indray nihohoka ny vahoaka dia nitsaoka sy niandrandra ny lanitra,
nisaotra an’Ilay nanambina azy.
Naharitra valo andro no nanaovany ny fitokanana ny ôtely,
ary an-kafaliana no nanaterany ny sorona dorana
sy ny sorom-pisaorana amam-piderana.
Noravahany fehiloha aman’ampinga be renty ny anoloan’ny tempoly,
namboariny koa ny fidirana amin’ny tempoly sy ny efi-trano
sady nasiany varavarana.
Nisy fifaliana lehibe indrindra teo amin’ny vahoaka
ka afaka ny fahafaham-baraka nafitsoky ny firenena.
Ary i Jodasa nifanara-kevitra tamin’ireo rahalahiny
mbamin’ny fiangonan’i Israely rehetra,
dia nandidy ny hankalazana ireo andro nitokanana ny ôtely,
amim-pifaliana sy firavoravoana mandritra ny havaloana isan-taona
miantomboka amin’ny fahadimy amby roapolon’ny volana Kasleo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: 1 Tant. 29, 10-11a. 11bde. 12
Isaorana ianao, ry Tompo Andriamanitr’i Israely Razanay:
hatramin’ny mandrakizay ka ho mandrakizay!
Anao, ry Tompo, ny halehibiazana sy hery,
sy hamirapiratana, fahamendrehana sy fiandrianana.
Anao ny zava-drehetra:
na ny any an-danitra na ny eto an-tany!
Anao, ry Tompo, ny fanjakana,
sy ny fisandratana ho lohan’ny zava-drehetra!
Ny harena, ny voninahitra dia avy aminao!
Ianao no mifehy ny zava-drehetra!
An-tananao ny hery sy ny tanjaka!
Ny tananao no mahalehibe sy mahamafy ny rehetra!
Aleloia. Aleloia.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.
Aleioia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 45-48)
Tamin’izany andro izany,
niditra tao an-tempoly i Jesoa,
dia nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy tao,
ka nanao taminy hoe:
“Efa voasoratra,
fa ny tranoko dia trano fivavahana,
nefa ianareo kosa nanao azy ho zohin’ny mpangalatra.”
Dia nampianatra isan’andro tao an-tempoly Izy;
fa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona kosa
nitady hahafaty Azy;
nefa tsy hitan’izy ireo izay hevitra hoenti-manao izany,
satria faly sy ravo nihaino Azy ny vahoaka rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky voalohan’i Makabeo (1 Makab. 2, 15-29)
Tamin’izany andro izany,
dia tonga tao Môdìna handahatra fanaovan-tsorona ireo manam-boninahitry ny mpanjaka,
nomena raharaha hanery ny olona hivadika.
Israelita maro be no nomba azy ireo;
ary i Matatiasa sy ireo zanany dia nivory ihany koa.
Niteny tamin’i Matatiasa ireo irak’i Antiôkosa, ka hoy izy taminy:
“Ianao eto an-tanàna no lohany indrindra voahaja sy mahamena-maso
mihoatra noho ny sisa rehetra ary maro zanaka aman-drahalahy.
Koa ianao no aoka hanatona voalohany,
hanatanteraka ny didin’ny mpanjaka toraky ny efa nataon’ny firenena rehetra,
sy ny lehilahy amin’i Jodà,
mbamin’ireo tafajanona any Jerosalema,
dia ho anisan’ny sakaizan’ny mpanjaka avokoa ianao sy ny ankohonanao,
samy hahazo firavaka volamena amam-bolafotsy
sy fanomezana maro ianao mbamin’ireo zanakao.”
Ary i Matatiasa namaly niteny tamim-peo avo nanao hoe:
“Na dia hanaiky an’i Antiôkosa avokoa aza
ny firenena rehetra anatin’ny fanjakany,
ka samy hahafoy ny fombam-pivavahan’ny razany,
sy hanaraka an-tsitrapo ny didiny,
izaho sy ireo zanako aman-drahalahiko kosa hanaraka ny faneken’ny razanay.
Sanatria anay ny hanary ny lalàn’Andriamanitra amam-pitsipiny!
Tsy hanaiky ny didin’ny mpanjaka izahay,
ka hiala amin’ny fombam-pivavahana,
na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.”
Vao tapitra izay teniny izay,
dia nisy Jody anankiray nandroso teo imason’ny olona rehetra teo hanao sorona,
araka ny didin’ny mpanjaka,
teo amin’ny ôtely natsangana tao Môdìna.
Nony nahita izany i Matatiasa, dia tezitra sady niontana ny fony;
navelany hisondrotra araka ny lalàna ny hatezerany,
ka niantoraka namono an-dralehilahy teo amin’ny ôtely izy.
Novonoiny niaraka tamin’izay koa ilay manamboninahitry ny mpanjaka,
nanery hanao sorona, sady nazerany ny ôtely.
Toy izany no nirehetan’ny zotom-pony hiaro ny lalàna,
toy ny nataon’i Finea izay namono an’i Zambrì, zanak’i Salôma.
Dia nandeha eran’ny tanàna i Matatiasa, niantso tamim-peo avo hoe:
“Izay rehetra manam-pahazotoana hiaro ny lalàna sy mitana ny fanekena,
samia mivoaka sy manaraka ahy avokoa.”
Izay izy mbamin’ireo zanany,
dia nandositra nankany an-tendrombohitra;
nilaozany izay rehetra nananany tao an-tanàna.
Nisy Jody maro be koa,
izay nikatsaka ny fahamarinana sy ny lalàna
ka nidina tamin’izay ho any an’efitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 49, 1-2. 5-6. 14-15
Ny Tompo Andriamanitra lehibe
manaika ny tany tontolo:
dia izay iposahan’ny andro
ka hatrany amin’izay ilentehany.
Indro Andriamanitra mamiratra
ao Siôna fanaperan-tsoa!
Vorio eto amiko ny mpivavaka amiko
izay nifanaiky tamiko tamin-tsorona.
Ny fahamarinany ambaran’ny lanitra.
Eny, Andriamanitra no Ilay Mpitsara.
Ny saotra atao fanatitra ho an’Andriamanitra;
ny voadinao, tovina ho an’ny Avo indrindra.
Dia antsoy Aho amin’ny andro fahoriana,
fa hanafaka sy hampipetraka amin’ny fanasana!
Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 41-44)
Tamin’izany andro izany,
nony mby akaiky an’i Jerosalema i Jesoa
dia nitomany azy nanao hoe:
“Raha izay kosa manko ianao no mba nahalala izay hampiadana anao,
na dia amin’itý andro nomena anao itý ihany aza!
Fa takona ny masonao izany ankehitriny.
Ka ho avy aminao ny andro
hanaovan’ny fahavalonao hady manodidina anao;
hosaronany ianao sy hotereny hatraiza hatraiza,
ary hofongorany hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao eo anatinao
ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao,
satria tsy nahalala ny andro namangiana anao ianao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco