Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 2, 31-45)
Tamin’izany andro izany,
i Daniely nanao tamin’i Nabokôdônôzôra hoe:
“Nijery ianao, ry mpanjaka ô,
ka indro nisy sariolona lehibe.
Tena makadiry izany sariolona izany,
sady namirapiratra mahagaga;
nijoro teo anatrehanao izy io,
ary mahatsiravina ny fijery azy.
Izany sariolona izany dia volamena tsara ny lohany;
volafotsy ny tratrany aman-tsandriny;
varahina ny kibo amam-peny;
vy ny ranjony,
ary ny tongony kosa vy ny tapany, tanimanga ny tapany.
Mbola mijery eo ianao no indro,
nisy vato niendaka tsy nokasihin-tanana,
namely itý sariolona tamin’ny tongony vy aman-tanimanga,
ka nahatorotoro azy.
Dia indray torotoro ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy mbamin’ny volamena,
sady nanary toy ny akofa manidina eo am-pamoloana amin’ny fahavaratra,
ka nopaohin’ny rivotra izany, lasa tsy hita izay nanjavonany;
ary ilay vato namely ny sariolona kosa,
zary tendrombohitra lehibe nameno ny tany rehetra.
Izany no nofy;
ary holazainay eto anatrehan’ny mpanjaka koa ny heviny.Ianao, ry mpanjaka ô, mpanjakan’ny mpanjaka,
izay nomen’Andriamanitry ny lanitra ny fanjakana,
ny fahefana, ny hery amam-boninahitra,
sy notolorany ny zanak’olombelona amam-biby any an-tsaha sy ny voron’ny lanitra,
na aiza na aiza itoerany,
ary nasainy nanjaka tamin’izy rehetra,
dia ianao no loha volamena.
Manarakaraka anao,
hisy fanjakana hafa hitsangana, ho ambany noho ianao;
manaraka izany,
hisy fanjakana fahatelo, ho varahina,
izay hanam-pahefana amin’ny tany rehetra.
Dia hisy fanjakana fahefatra koa ho mafy toy ny vy;
fa toy ny vy manamongo sy manorotoro ny zavatra rehetra,
toy ny fanorotoron’ny vy ny zavatra rehetra,
no hanamongoany sy hanorotoroany an’ireo rehetra ireo.
Ny nahitanao ny tongotra aman-drantsan-tongony,
ho tanimangan’ny mpanefy tanimanga ny tapany ary vy ny tapany,
dia satria ho fanjakana mizarazara izy;
hisy herim-by ao aminy, araka ny nahitanao ny vy niharo tanimanga.
Nefa noho ny rantsan-tongony, vy ny tapany, tanimanga ny tapany,
dia ho fanjakana ho mafy ila sy malemy ila izy.
Ny nahitanao ny vy miharo tanimanga
dia satria ho fifangaroan’ny taranak’olombelona, izy;
nefa toy ny tsy fetezan’ny vy hiharo amin’ny tanimanga
no tsy hifampitambarany.Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo,
ny Andriamanitry ny lanitra hanangana fanjakana anankiray
tsy ho rava mandrakizay ary tsy hafindra amin’ny firenen-kafa ny fifehezany;
ireo fanjakana rehetra ireo hotorotoroiny sy hofoanany,
fa izy kosa haharitra mandrakizay,
araka ny nahitanao ilay vato niendaka, tsy nokasihin-tanana,
tamin’ny tendrombohitra,
ka nahatorotoro ny vy, ny varahina, ny tanimanga, ny volafotsy mbamin’ny volamena!
Ny Andriamanitra lehibe no nampahafantatra ny mpanjaka
izay ho avy rahatrizay;
marina ny nofy, ary tsy misy isalasalana ny heviny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Dan. 3, 57. 58. 59. 60. 61
Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry asan’ny Tompo,
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry anjelin’ny Tompo,
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry lanitra,
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry rano, mbamin’izay rehetra eny ambonin’ny lanitra;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry fahefan’ny Tompo,
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 5-11)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ireo nilaza ny tempoly ho voaravaka vato tsara
sy fanatitra sarobidy ka nanao hoe:
“Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo,
ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana.”
Dia nanontany Azy izy ireo nanao hoe:
“Ry Mpampianatra,
rahoviana no ho tonga izany,
ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany?”
Ka hoy i Jesoa hoe:
“Tandremo sao ho voafitaka ianareo,
fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe:‘Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro’,
fa aza manaraka azy.
Ary raha mandre ady sy fikomiana ianareo, aza taitra:
fa tsy maintsy ho tonga aloha izany,
nefa tsy mbola ho tonga miaraka amin’izay akory ny farany.”
Dia hoy koa Izy tamin’izy ireo:
“Hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena,
sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana,
hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana
ary mosary amin’ny tany samihafa;
eny an-danitra koa,
dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Tsy maintsy miezaka ho tonga fitiavana isika. Io no hafatra nasongadin’ny Arsevekan’Antananarivo tamin’ireo toetra nasehon’i Mompera Alain Thierry Raharison fahavelony... ♦ Faly amin’ny fanantenana. io no anentanan’ny Papa François ny tanora, amin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny tanora amin’ny 26 novambra 2023, fetin’i Kristy Mpanjaka... ♦ Manohitra tanteraka ny fanafihana mahatsiravina nataon’ny Hamas tamin’ny 7 ôktôbra ny ao amin’ny Fiketrahana Masina...
Fanombohan’ny Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 1, 1-6. 8-20)
Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà,
dia tonga i Nabokôdônôzôra mpanjakan’i Babilôna
hamely an’i Jerosalema, ka nanao fahirano azy.
Natolotry ny Tompo, ho an-tanany i Jôakima, mpanjakan’i Jodà,
mbamin’ny fanaka sasany tao an-tranon’Andriamanitra,
ka nentiny ireny, ho any amin’ny tany Sennaara,
ao amin’ny tranon’ny andriamaniny,
sady napetrany tao amin’ny firaketan’andriamaniny ny fanaka.
Nanome teny an’i Asfeneza, lehiben’ny eonokany ny mpanjaka,
hitondra ny sasantsasany amin’ny zanak’i Israely
izay isan’ny taranak’andriana, na izay avo razana,
ny zatovo tsy misy kilema, tsara tarehy, manana talenta isan-karazany,
nandia fianarana sy manan-tsaina, ary matanjaka tsara,
hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka,
sady hampianarina taratasy aman-teny Kaldeanina.
Natokan’ny mpanjaka izay anjara ho azy ireo isan’andro,
amin’ny hanin’ny mpanjaka sy ny divay fisotrony,
mba hitoerany eo anatrehan’ny mpanjaka,
rahefa nobiazina telo taona izy ireo.
Anisan’ireo i Daniely, i Ananiasa, i Misaely ary i Azariasa,
avy amin’ny taranak’i Jodà.
Tapa-kevitra tao am-pony i Daniely
fa tsy handoto tena amin’ny hanim-pihinan’ny mpanjaka sy ny divay fisotrony;
ka nangataka tamin’ny lehiben’ny eonoka izy
mba tsy hanery azy handoto tena.
Ary nataon’Andriamanitra nahita fitia tamin’ny lehiben’ny eonoka i Daniely.
Hoy ny lehiben’ny eonoka tamin’i Daniely:
“Matahotra ny mpanjaka tompoko aho,
fa ny tenany no niandraikitra izay hohaninareo sy hosotroinareo;
ka ahoana moa raha hahita ny tarehinareo mahia
noho ny an’ireo zatovo mitovy taona aminareo?
Hanao izay hanapahan’ny mpanjaka ny lohako ianareo izany.”
Dia hoy i Daniely tamin’ny mpikarakara sakafo
notendren’ny lehiben’ny eonoka hikarakara an’i Daniely, i Ananiasa, i Misaely sy i Azariasa:
“Masìna ianao,
manaova fanandramana hafoloana, aminay mpanomponao,
hanin-kotrana hohanina sy rano hosotroina omena anay.
Ka rahefa afaka izany,
samy hojerenao ny tarehinay sy ny an’ireo zatovo mihinana amin’ny hanin’ny mpanjaka,
dia araka izay ho hitanao no hataonao aminay mpanomponao.”
Nekeny ny hatak’izy ireo,
ka nizaha toetra azy izy hafoloana.
Nony tapitra ny hafoloana,
dia hita fa tsara tarehy sady matavy izy noho ireo zatovo rehetra
nihinana tamin’ny hanin’ny mpanjaka.
Ka dia tsy nentin’ilay mpikarakara sakafo
ny hanina aman-divay tsy maintsy sotroiny,
fa hanin-kotrana no nomeny azy.
Ireo zatovo ireo, dia izy efa-dahy,
samy nomen’Andriamanitra fahalalana amam-pahaizana
momba ny taratasy amam-pahendrena rehetra;
ary i Daniely nahafantatra ny nofy amam-pahitana rehetra.
Nony tonga ny fotoana voatendrin’ny mpanjaka hampidirana azy rehetra,
dia nentin’ny lehiben’ny eonoka ho eo anatrehan’i Nabokôdônôzôra izy ireo.
Niresaka tamin’izy rehetra ny mpanjaka,
ary izy rehetra dia tsy nisy tahaka an’i Daniely, i Ananiasa, i Misaely ary i Azariasa,
ka dia noraisina hanao ny fanompoana ny mpanjaka izy ireo.
Tamin’ny zavatra rehetra ilam-pahalalana nanontanian’ny mpanjaka azy ireo,
dia hitany fa nanan-tombo impolo heny
noho ny an’ny mpahay taratasy ama-mpisikidy rehetra,
teo amin’ny fanjakany manontolo,
ny fahambonian’izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Dan. 3, 52. 53. 54. 55. 56
Isaorana indrindra Ianao,
ry Tompo Andriamanitry ny Razana:
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay!
Isaorana ny Anaranao,
fa masina, be voninahitra:
ka mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay!
Isaorana indrindra Ianao,
an-tempoly be voninahitra:
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay!
Isaorana indrindra Ianao.
Mahatsinjo ny halalin’ny hantsana:
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay!
Isaorana indrindra Ianao.
Mipetraka ambony Kerobima:
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay.
Aleioia. Aleloia.
Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 1-4)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanopy ny masony ka nahita ny mpanan-karena
nanatitra vola tao amin’ny fandatsahan-drakitra.
Dia nahita mpitondra tena anankiray
nanatitra farantsa kely varahina roa tao koa Izy,
ka nanao hoe:
“Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io
no nandatsaka bebe kokoa noho izy rehetra;
satria ireo rehetra ireo dia nanatitra ny ambim-bavany
ho an’Andriamanitra,
fa io kosa,
dia tamin’ny fahantrany indrindra izy
no nanatitra ny fivelomana rehetra nananany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 34, 11-12. 15-17)
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Indro Izaho dia Izaho ihany no hiahy ny ondriko sy handinika azy.
Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny,
amin’ny andro hitsanganany eo amin’ireo ondriny mihahaka,
no handinidinihako ny ondriko;
ary hoesoriko izy ireo,
hiala any amin’ny tany rehetra efa nielezany tamin’ny andro mandrahona sy manjombona.
Izaho no hiandry ny ondriko,
Izaho no hampandry azy;
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra.
Ny very hotadiaviko;
ny nania, haveriko;
ny naratra, hotsaboiko;
ary ny marary, hohatanjahiko;
fa ny matavy sy ny matanjaka kosa haringako;
handrasako ara-drariny izy ireo.
Ary ny aminareo, ry ondriko,
izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Indro Aho hitsara,
hanavaka ny reniondry sy ny reniondry;
hanavaka ny ondralahy sy ny osilahy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 22, 1-2a. 2b-3. 5-6
Ny Tompo miandry ahy:
tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso.
Entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany,
tarihiny amin’ny lala-marina.
Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko:
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.
Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona mifandimby.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 15, 20-26a. 28)
Ry kristianina havana,
efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy
ary Izy no santatr’izay efa nody mandry;
satria olona iray no niavian’ny fahafatesana,
ka dia Olona iray koa no iavian’ny fitsanganan-ko velona;
ary toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama
no hahaveloman’ny olon-drehetra ao amin’i Kristy,
fa manaraka ny laharany avy:
i Kristy no santatra,
dia izay an’i Kristy amin’ny andro hiaviany.
Rehefa afaka izany, tonga ny farany,
dia rahatrizay hatolony amin’Andriamanitra sy amin’ny Ray ny Fanjakana,
rehefa levony avokoa ny fifehezana sy ny fahefana ary ny hery rehetra.
Satria tsy maintsy manjaka Izy
ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin’ny tongony.
Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.
Koa rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra,
na Izy Zanaka aza dia hanaiky izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra,
mba ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 31-46)
Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Rehefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’Olona
otronin’ny Anjely rehetra,
dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy;
ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra,
ary Izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy:
ny ondry moa hataony eo ankavanany;
ary ny osy kosa eo ankaviany.
Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo ankavanany hoe:‘Avia ianareo, ry nohasoavin’ny Raiko,
handova ny Fanjakana izay voavoatra ho anareo
hatrizay nahariana izao tontolo izao.
Fa noana Aho, nomenareo hanina;
nangetaheta Aho, nomenareo hosotroina;
nivahiny Aho, nampiantranoinareo;
tsy nitafy Aho, notafianareo,
narary Aho, novangianareo;
tany an-tranomaizina Aho, notsidihinareo’.Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe:
‘Tompo,
oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina,
nangetaheta ka nomenay hosotroina?
Oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay,
na tsy nitafy ka notafianay?
Oviana no hitanay narary Ianao
na tany an-tranomaizina ka novangianay?’Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe:
‘Lazaiko marina aminareo
fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray
amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo,
dia nanao izany tamiko’.Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray Izy ka hanao hoe:
‘Mialà amiko ianareo, ry voaozona,
mba ho any amin’ny afo mandrakizay,
izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.
Fa noana Aho, tsy nomenareo hanina;
nangetaheta Aho, tsy nomenareo hosotroina;
nivahiny Aho, tsy nampiantranoinareo;
tsy nitafy Aho, tsy notafianareo;
narary Aho, sy tany an-tranomaizina tsy novangianareo’.Dia hamaly Azy koa ireo hanao hoe:
‘Tompo,
oviana no hitanay noana Ianao, na nangetaheta,
na nivahiny, na tsy nitafy, na narary,
na tany an-tranomaizina, ka tsy namonjy Anao izahay?’Fa hovaliany hoe:
‘Lazaiko marina aminareo
fa isaky ny tsy nanao izany tamin’ny anankiray
amin’ireto kely indrindra ireto ianareo,
dia tsy nanao izany tamiko koa’.Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo,
fa ny marina kosa,
ho any amin’ny fiainana mandrakizay”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco