13 janoary 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 13-17)

♦ Niarahaba ireo manamboninahitry ny foloalindahy Malagasy izay nanamarika ny 12 janoary ; andron'ny manamboninahitra ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... ♦ Manohana ny tantsaha hisitraka ny zony amin'ny fananan-tany any amin'ny faritra iasany ny fandaharan'asa DEFIS, eo ambany fiahian'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana... ♦ Lehilahy roa no niakatra fampanoavana androany, ary nalefa eny amin'ny fonjan'i Tsiafahy noho ny fanolanana zaza latsaky ny 15 taona... ♦ Miantso sy manentana ny mponina any Equateur ny fivondronamben'ny Eveka any an-toerana mba hahay hiray hina sy hampanjaka ny fandriam-pahalemana...

Miabo ny voka-bary azon'ny PAPRIZ fahatelo nandritra ny taom-pambolena farany teo. Vokatra mitondra mankany amin'ny fitomboana sy ny firoboroboan'ny voka-bary eto Madagasikara. Maherin'ny5 taonina isaky ny Hektara ny salan'isan'ny vokatra niakatra ho an'ireo Faritra 11 teo aloha iasan'ny tetik'asa. Niampy 50 mahery ny isan'ny lemaka voatondraka niasana. Maherin'ny 37.000 ny tantsaha niofana...

♦ Mbola eo am-pamolavolana ireo tetiandrom-pifidianana sy ny fomba enti-manatanteraka izany ny CENI ankehitriny. Mbola tsy nisy araka izany ny tetiandro navoakany... ♦ Ny 51,95% amin'ireo voafonja manerana ny nosy no misitraka ny fanalefahan-tsazy avy amin'ny filohan'ny repoblika raha ny antontanisa vonjy maika voaray... ♦ Distrika telo amin'ireo Distrika efatra ao Amoron'i Mania no mbola ahitàna "Peste". Olona iray no ahiana ho matin'ity valanaretina ity ao Ambositra... ♦ Tafajoro ny governemanta vaovao tarihin'ny praiministra Gabriel Attal any Frantsa. Misy amin'ireo ministra teo aloha no tafaverina mandrafitra izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...