Bokin’i Daniely Mpaminany (Daniely 7, 9-10. 13-14)
Nijery aho, ka nahita seza fiandrianana,
izay nipetrahan’ny Anti-dahy anankiray,
fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany;
tahaka ny volon’ondry madio, ny volon-dohany;
lelafo ny seza fiandrianany;
afo mirehitra ny kodiarany;
ony afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany,
arivoarivo no nanompo azy,
ary alinalina no nitsangana teo anatrehany.
Dia nipetraka ny Mpitsara ka novelarina ny boky.
Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho,
ka indro nisy toy ny Zanak’olona tamy teny ambonin’ny rahon’ny lanitra
nandroso izy nankeo amin’ilay Anti-dahy,
ka nentina ho eo anatrehany,
dia nomena ny fahefana, sy ny voninahitra, amam-panjakana,
ary nanompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena
sy ny samihafa fiteny rehetra.
Fahefana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fahefany,
ary tsy ho levona na oviana na oviana ny fanjakany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Fanambaràna nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 12, 7-12a)
Ary nisy ady tany an-danitra:
I Misely sy ny anjeliny moa niady tamin’ny Dragona;
ny Dragona sy ny anjeliny koa namely, fa tsy nahomby,
sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony;
ka nazera itý Dragona lehibe,
dia ilay menarana antitra atao hoe demony sy Satana,
izay mamitaka an’izao tontolo izao;
ny tenany moa nazera tamin’ny tany,
ny anjeliny koa nazera niaraka aminy.
Dia nandre feo mahery tany an-danitra aho, nanao hoe:
Ankehitriny dia an’Andriamanitra ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakana;
an’i Kristy koa ny fahefana;
fa efa voazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika,
dia ilay miampanga azy andro aman’alina eo anatrehan’Andriamanitra.
Nandresy azy ireo koa ny rahalahintsika
noho ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nambarany
ary ny tsy fitandroany ny ainy na dia ho faty aza Izy.
Koa mifalia, ry lanitra mbaminareo monina ao aminy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 137, 1-2a. 2bd-3. 4-5
Tompo ô, midera Anao amin’ny foko tontolo aho:
satria Ianao nihaino ny tenin’ny vavako!
Miantsa Anao eo anatrehan’ireo Anjely aho,
miankohoka mitodika ny tempolinao masina.
Misaotra ny Anaranao aho:
noho ny hatsaram-po sy fahamarinanao!
Fa nataonao lehibe ny Anaranao,
sy ambonin’ny zava-drehetra ny Teninao.
Ny andro iantsoako mamaly Ianao,
sy mampitombo hery ny fanahiko!
Ny Mpanjakan’ny tany misaotra Anao avokoa;
fa nahahaino ny tenin’ny vavanao!
Mihira ny lalan’ny Tompo izy ireo,
fa lehibe ny voninahitry ny Tompo!
Aleloia. Aleloia.
Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mankatò ny sitrany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 47-51)
Tamin’izany andro izany,
nahita an’i Natanaely tamy nanatona Azy i Jesoa,
dia nilaza azy hoe:
“Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka.”
Ka hoy i Natanaely taminy:
“Ahoana no nahalalanao ahy?”
Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao,
dia hitako teo ambanin’ny aviavy ianao.”
Dia namaly Azy i Natanaely, ka nanao hoe:
“Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra,
Ianao no Mpanjakan’i Israely.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Mino ianao,
satria nilazako fa hitako tao ambanin’ny aviavy ianao;
mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao.”
Dia hoy koa Izy:
“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa hahita ny lanitra misokatra
sy ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina
eo ambonin’ny Zanak’olona ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Fiantombohan’ny Bokin’i Akjea Mpaminany (Akj. 1, 1-8)
Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjaka,
tamin’ny volana fahenina, andro voalohan’ny volana
no nahatongavan’ny tenin’ny Tompo tamin’ny alalan’i Akjea mpaminany,
tamin’i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, governora tany Jodà
sy tamin’i Jôsoe zanak’i Jôsedeka mpisorona lehibe, nanao hoe:
“Izao no lazain’ny Tompon’ny tafika:
‘Itý firenena itý manao hoe:
Tsy mbola tonga ny fotoana,
ny fotoana hanaovana ny tranon’ny Tompo indray.’Ary tonga ny tenin’ny Tompo, tamin’ny alalan’i Akjea mpaminany nanao hoe:
‘Ary ho anareo kosa moa
dia fotoana hitoerana ao an-tranonareo voaisy peta-drindrina,
amin’izao aharavan’ny trano izao?
Koa ankehitriny, izao no lazain’ny Tompon’ny tafika:
Diniho tsara ny lalanareo.
Namafy be ianareo fa mijinja kely;
mihinana fa tsy ampy hahavoky;
misotro, fa tsy ampy hahafa-po;
mitafy, fa tsy ampy hanafana;
ary ny mpikarama mahazo ny karama hatao an-kitapo loaka.
Izao no lazain’ny Tompo ny tafika:
Diniho tsara ny lalanareo.
Mandehana eny an-tendrombohitra ka mitondrà hazo;
ary ataovy ny trano;
hankasitrahako sy hahazoako voninahitra izany.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b
Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy.
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak’i Siôna hiravo amin’Ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany,
ravahany fandresena ny ory!
Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba:
am-bava, fankalazana an’Andriamanitra,
ka ho voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra!
Aleloia. Aleloia.
I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 7-9)
Tamin’izany andro izany,
i Herôda tetrarka nandre izay rehetra nataon’i Jesoa
ka tsy hitany be ihany izay hevitra,
fa ny sasany nanao hoe:
“I Joany no nitsangan-ko velona”;
ny sasany nilaza hoe:
“I Elia no niseho”;
ary ny sasany nanao hoe:
“Ny anankiray tamin’ny mpaminany taloha
no efa nitsangan-ko velona.”
Dia hoy kosa i Herôda:
“Raha i Joany dia efa nasaiko notapahin-doha izy,
ka iza indray ary izao olona reko manao zava-dehibe izao?”
Dia naniry hahita Azy izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Lahika manodidina ny 900 avy amin’ny Diôsezy 16 no nanatrika ny fankalazana ny andron’ny lahika nanomboka ny 22 ka hatramin’ny 24 septambra, tao amin’ny Diosezin’ny Mananjary... ♦ Nikarakara hazakazaka ho an’ny fandriam-pahalemana ny fandaharan’asa PCEE avy eo anivon’ny ivon-toerana Arrupe Faravohitra... ♦ Fitiavana maimaim-poana tsy misy tambiny no itiavan’Andriamanitra antsika. Io no votoanton’ny fampianaran’i Papa François nandritra ny Angelus omaly...
Bokin’i Esdrasa (Esdr. 9, 5-9)
Izaho Esdrasa,
efa mby amin’ny fotoan’ny fanatitra hariva vao tafarina tamin’ny fahoriako;
ary amin’ireto akanjoko sy kapaotiko rovitra,
dia rafitra nandohalika sy nanandratra ny tanako aho
nankany amin’ny Tompo Andriamanitro, nanao hoe:
“Andriamanitro ô,
safo-kenatra sy mangaihay loatra aho,
tsy sahy miandrandra mankany aminao Andriamanitro,
fa nitombo nihoatra ny lohanay ny helokay,
ary niakatra nanakatra ny lanitra ny fahotanay.
Hatramin’ny andron’ny razanay ka mandraka androany,
dia efa meloka loza erý izahay;
ary noho ny helokay ihany no nanolorana anay mbamin’ny mpanjakanay sy ny mpisoronay,
ho eo an-tanan’ny mpanjaka hafa,
ho matin-tsabatra, ho babo, horobaina, ary hangaihay tahaka ny amin’izao anio izao.
Nisy andro anefa
nanehoan’ny Tompo Andriamanitray ny famindram-pony taminay,
dia navelany hisy sisa afaka izahay,
ka nomeny fialofana eo amin’ny fitoerany masina,
mba hanazavan’Andriamanitray ny masonay,
sy hamelombelomany kely ny ainay ao anatin’ny fahandevozanay.
Fa andevo izahay,
nefa tsy nahafoy anay tao anatin’ny fahandevozanay ny Andriamanitray.
Nitarika ireo mpanjakan’i Persa hanisy soa anay Izy,
hamelombelona ny ainay,
mba hanaovanay ny tranon’Andriamanitray, sy hamboaranay ny rava eo,
dia hanomezany anay fonenana voafefy amin’i Jodà sy i Jerosalema.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Tôb. 13, 2. 4. 6. 7. 8
Isaorana ilay Andriamanitra velona mandrakizay,
Ilay mandrakizay ny fanjakany!
Fa mikapoka Izy ka mamindra fo,
mampidina an-tSeoly ka mampiakatra!
Ary tsy misy olona izay afaka amin’ny tanany!
Aharihario ny halehibiazany!
Asandrato eo anoloan’ny miaina rehetra Izy!
Fa Izy no Tompo sy Andriamanitsika,
Raintsika amin’ny taona rehetra.
Raha miverina aminy amin’ny fo tontolo ianareo,
sy manao ny marina eo anoloany amin’ny fanahy tontolo,
dia hiverina aminareo koa Izy,
sy tsy hanafin-tava aminareo intsony.
Jereo ny nataony anareo:
ka mankalazà Azy amin’ny vava tontolo!
Isaory ny Tompon’ny fahamarinana!
Hirao ny Mpanjaka mandrakizay!
Izaho mankalaza Azy atý an-tany namaboana ahy,
maneho ny hery sy halehibiazany amin’itý firenena mpanota:
“Miverena, ry mpanota, manaova ny marina eo anoloany:
sao mba ho sitrany ianareo ka hamindrany fo!”
Aleloia. Aleloia.
Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 1-6)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa namory ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy
ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra
sy hanasitrana ny aretina.
Ary naniraka azy hitory ny fanjakan’Andriamanitra
sy hanasitrana ny marary.
Dia hoy Izy taminy:
“Aza mitondra na inona na inona any amin’izay halehanareo any,
na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa.
Ary na aiza na aiza trano hidiranareo,
dia itoero mandra-pialanareo amin’izany tanàna izany.
Ary raha misy mandà tsy handray anareo,
dia mialà amin’izany tanàna izany,
ka na ny vovoka amin’ny tongotrareo aza dia ahintsano
ho fiampangana azy ireo.”
Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra,
ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco