Ny fisoronana dia nifandovana teo amin'ny tantaran'i Israely : rehefa antitra ny mpisorona iray dia mametra-tanana amin'izay taranany handimby azy izy. Toy izany no hita tamin'ny nataon'i Isaaka tamin'i Jakôba izay tokony ho i Esao zokiny no nomena azy. Io fomba io no mbola tanana ankehitriny amin'ny alalan'ny fetrahan-tanana amin'ny sakramentan'ny filaharana... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

4 marsa 2025 — Talata, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 28-31)

• Natao veloma farany teny amin'ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza androany, ny nofo mangatsiakan'i Haja Ramaherijaona, Solombavam-bahoakan'i Tsiroanomandidy... • Misy ireo hetra tsy miditra ara-dalana ao amin'ny kitapom-bolan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hoy ny Ben'ny Tanana, Harilala Ramanantsoa... • Olana tsy hahazoan'ny kianja Barea Mahamasina fankatoavana avy any amin'ny CAF, ny fitsabahan'ny fanjakana amin'ny asan'ny Federasiona, hoy ny K2HB...

• Hotanterahana ny 28 hatramin'ny 31 aogositra 2025, any amin'ny Diosezin'i Morondava ny Androm-pirenena ho an'ny Lehibe andiany faha-2... • Ankalazaina amin'ity taona 2025 ity ny faha-800 taona namoronan'i Masindahy François ilay atao hoe "Antsan'ny zava-boahary"... • "Tsapako ato am-poko ilay fitahiana izay miafina ao anatin'ny faharefoana". Io no votoatin'ny hafatra sady fampianarana nifampizaranan'ny Ray masina omaly, toy ny fanaony isan'alahady amin'ny vavaka Angelus, na dia any amin'ny hopitaly aza izy...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...