Tafiditra ao anatin'ny fifampiresahana ny "fahanginana" amin'ny fotoana sasany, ka ny fitoniana dia manampy betsaka amin'ny fifampiresahana. Tsy voatery hitovy hevitra avokoa ny fianakaviana miray trano. Harena ny tsy fitovian-kevitra mba hisian'ny fivelarana marina eo amin'ny fiainana sy hahitana ny lalana tokony hizorana. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.
Alarobia 5 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 1-4
♦ Nandray ny masoivoho vaovaon'i Lafrantsa miasa sy monina eto Madagasikara, teny amin'ny birao fiasany teny Ampahibe, ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Madeha tsara toy ny hatramin'izay ny fiaraha-miasa eo amin'ny tany roa tonta, hoy ny Jeneraly Rakotonirina Richard... ♦ Mponina iray hetsy, tratran'ny tsy fanjarian-tsakafo ambony, any amin'ny tapany atsimon'ny nosy, no hahazo tohana ara-tsakafo avy amin'ny Britanika. Nanolotra roa tapitrisa Livre sterling hanatontosana izany ny governemanta any Royaume-Uni...
♦ Tsy tokony asiana fanilikilihana ny fakàn-kevitry ny Ceni amin'ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy, hoy ny V.H.T. Ireo antoko mpomba ny fitondràna sy ny avy amin'ny mpanohitra ihany no nantsoina, hoy ny filohan'ity antoko ity... ♦ Kasaina hohatsaràina ny lalàna mifehy ny fahasalamana eto amintsika. Milaza ho manana soson-kevitra maro ho amin'izany fanovàna izany ny fikambanan'ireo mpivaro-panafody eny ambanivohitra na "dépositaire de Médicament"... ♦ Namoaka fikarohana momba ny famokarana biriky miaro ny tontolo iainana ny Atelier iray eny Tsimbazaza. Nahavita biriky tsy dia mila fampiasàna béton intsony amin'ny fanangànana trano ity orinasa tsy miankina ity...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco