♦ Niteraka fahatapahan-dalana maharitra teny Ampasika androany, ny fakan'ny Polisy Monisipaly ireo sarety efatra mpitondra ranon-tany. Niteraka ny fahatezeran'ireo olona nandalo manodidina izany, ka notapahan'izy ireo ny fifamoivoizana...♦ Hahazo angidimby hiaka farany avy amin'ny fitondram-panjakana ny Tafika Malagasy, ho fampitaovana azy ireo... ♦ Hangonina manomboka izao ireo fitaovaka elektrônika, toy ny finday tsy miasa intsony, ho fiarovana ny tontolo iainana. Handray izany eny amin'ireo masoivohony manerana ny nosy, ny orinasa Telma...
♦ Hotanterahana eto an-drenivohitra ny 7 ôktobra izao ny fikaonandoham-pirenena hanarenana ny asa tanana eto Madagasikara. Hamaritana ny paik'ady vaovao hampiroboroboana ny famoronana asa amin'ny alalan'ny sehatry ny asa tanana ny tsoa-kevitra hivoaka amin'izany... ♦ Homarihana ny 08 oktobra izao ny ivon'ny fankalazana ny faha 30 taonan'ny FAFIALA. Hotokanana amin'io andro io ny tsangambaton'ny faha-30 taona, dia fotodrafitr'asa tranon-dandy... ♦ Hampiditra mpiasa antselika hanampy ireo mpiasa ao aminy ny tranom-pirintim-pirenena noho ny fahavitsian'ny mpiasa kanefa ny asa atao mitombo hatrany hoy ny tompon'andraikitra...
Ilay ny mampiasa ilay fahefana anaty, izay ananan'ny tsirairay. Mba hiova sy hihatsara ny fiainan'ny olona iray dia tsy maintsy manao ezaka izy handresy ny sakana anaty, ary manome vahana ny fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ Tsy eken'ny SYNAD ny fakan-kevitra amin'ny olom-boafidy mialoha ny fanendrena na famindran-toerana ireo mpiasam-panjakàna. Fanambarana nandritra ny fivoriambe tsy ara-potoana omaly... ♦ Tsy mbola misy voakitiky ny afo ireo angonoka izay arovana ao anatin'ny faritra voaaro any Soalala, hoy ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy. Vaovao diso ireo mivoaka amin'ny tambazotra sôsialy milaza fa maro ny biby arovana may any an-toerana... ♦ Tsy maintsy narafitra amin'ny "béton" ireo Tranovola sy Lapan'i Manampisoa ao anatin'ny Rovan'Antananarivo ho fisorohana ny loza mitatao amin'ny vakoka, hoy ny ôfisy misahana ny fanarenana...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco