Alakamisy 29 septambra 2022 — Masina Michel, Gabriel, Raphaël, Arakanjely — Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mankatò ny sitrany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 47-51
♦ Tsy mbola misy voakitikitiky ny afo ireo angonoka izay arovana ao anatin'ny faritra arovana Baie de Baly, hoy ny Minisiteran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy androany. Vaovao diso ireo mivoaka amin'ny Facebook, milaza fa maro ny biby arovana may any an-toerana... ♦ Tsy maintsy narafitra amin'ny béton ireo Tranovola sy ny Lapan'i Manampisoa ao amin'ny Rovan'Antananarivo, ho fisorohana ny loza mitatao amin'ny vakoka, hoy ny Ofisy misahana ny fanarenana androany... ♦ Tsy eken'ny SYNAD ny fakan-kevitra amin'ny olom-boafidy mialoha ny fanendrena na famindran-toerana ireo mpiasam-panjakana...
♦ Mamolavola ny lalàna hifehy ny famindrana taova ny eto Madagasikara ankehitriny. Efa vita ny fotodrafitr'asa hanaovana izany ary efa nahavita ihany koa fihofanana ny mpitsabo hisahana izany... ♦ Marihana androany ny andro eran-tany hiadiana amin'ny haromontana. Hoantsika eto Madagasikara, misy ny hetsika hanamarihana izany tanterahana eny Manarintsoa-Isotry ao Antananarivo renivohitra... ♦ Nitohy tao amin'ny Cisco Anjozorobe ny fizaran'ny Fikambanana Andry sy Fototra amin'ny fampandrosoana na ny A.F.F fitaovana ho an'ny mpianatra, Distrika maro no efa nisitraka izany...
♦ Notendren'i Papa François ho Nonce Apostolique eto Madagasikara omaly 27 septambra 2022 i Mgr Tomasz Grysa. Tsy niandry ela fa niarahaba azy noho izao fanendrena izao ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Mbola nomotsanin'ny Barea zandriny tamin'ny isa fito noho iray indray ny ekipam-pirenena atsy Seychelles omaly folakandro teny amin'ny Kianjan'i Barea Mahamasina. Tany Maroc, resin'ny Barea zokiny tamin'ny isa telo noho iray ny ekipam-pirenen'i Benin... ♦ Miisa 2.300.000 ireo Malagasy voatily fa voan'ny tazomoka ny taona 2021 ka 547 tamin'izany no namoy ny ainy. Nitombo avo roa heny tamin'ny antotanisa nivoaka ny taona 2019 io tarehimariky ny olona marary io...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco