Noho ny tsy fitokisana an'Andriamanitra no mahatonga ny olona hampifangaro ny finoana sy ny finoan-drazana, mitarika ny saina ihany koa hoe mitahy ny razana. Ireny rehetra ireny no antsoina hoe "Synchrétisme" na hoe mampifangaro ny finoana roa mifandaka. Ny kristiana vita batemy dia misy milaza ihany koa fa mivavaka amin'ny razam-bazaha. Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Alakamisy 10 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 20-25
♦ Nampidirina am-ponja vonjy maika ireo olona efatra voasaringotra tamin'ny fanolanana sy famonoana ilay zazalahy kely 7 taona tany Morondava... ♦ Nasain'ny OIF handray anjara tao anatin'ny fihaonana sy fivoriana izay mifanindran-dalana amin'ny COP27 atao any Egypte androany, ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-javy, Vina Marie Orléa... ♦ Nitombo dimy ankehitriny ireo distrika tratran'ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara...
♦ Nihaona tamin'ny sendikan'ny mpiasa ny tompon'andraikitra tao amin'ny CENI. Nanambara àry ny Sekretera jeneralin'ny randrana Sendikaly Rakotomanga Barrison fa vonona hanentana ny orinasa sy ny mpiasa ao aminy amin'ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana ny sendika... ♦ Manamafy ny Vondron'ny kaoperativa-pitanterana miasa ao an-drenivohitra na ny UCTU fa tsy manara-dalana ny taxi-moto. Gaboraraka tanteraka hoy izy ireo ny fitanterana ao an-drenivohitra... ♦ Misedra fahasahiranana amin'ny velon-tenany ny mponina ao Tsiafanoka ao amin'ny Kaominina Tsianisiha, Distrika Toliara-II. Miantso ny mitondra hijery sy hamaha ny olana sedrainy izy ireo...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco