Talata 8 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 7-10

♦ Nampidirina am-ponja vonjy maika, ny mpizahan-tany iray teratany "espagnol" sy malagasy miisa telo voasaringotra tamin'ny fanolanana sy famonoana ilay zazalahikely 7 taona tany Morondava. Miantso vonjy amin'ny filoham-pirenena mivady ny ray aman-drenin'ilay zaza... ♦ Hamoraina ny fahazoana famatsiam-bola hiadiana amin'ny fiovan'ny toetrandro, ho an'ireo firenena mampiasa ny teny frantsay, araka ny fivoriana nokarakarain'ny OIF, mifanindran-dalana amin'ny COP-27 atao any Egypte... ♦ Havaozina ny drafitra sy ny paik'ady hiatrehana ny rivo-doza sy ny tondra-drano amin'ny fotoam-pahavaratra, hirosohana ny loza mihoampampana toy ny tamin'ny farany teo...

♦ Tapaka teo anivon'ny asam-baomiera teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ny hananganana vaomiera hanao fanadihadiana parlemantera tamin'ny zava-nitranga tany Ikongo. Handalo fankatoavana amin'ny alalan'ny fivoriana itambaramben'ireo Solombavam-bahoaka izany, ny 15 nôvambra izao... ♦ Minatso ireo mpiara-miasa aminy eo anivon'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Malagasy, hiaro ny fiandrianam-pirenena sy hanaja ny tombontsoa ambonin'ny firenena, ny Minisitra mpisolo toerana, ny Jeneraly Rakotonirina Léon Richard...

♦ Seminarista 76 mirahalahy no natokana ho mpamaky teny sy mpanotrona, tamin'ny fankalazana ny fetin'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely, mpiaro ny toeram-piofanana momba ny teôlôjia ao Faliarivo Antananarivo... ♦ Notanterahana tamin'ny 3 hatramin'ny 5 nôvambra 2022, ny Filankevitry ny Talen-tsekoly Katôlika rehetra avy ao amin'ny Diôsezin'Ambanja. Ka Talen-tsekoly miisa 56 no nandray tamin'izany... ♦ Nankalaza ny fetiny ny 6 nôvambra 2022 ny Distrika Misiônera Avaratsena, eo ambany fiarovan'i Masindahy Joany Paoly Faharoa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...