Hitsinjovana ny fahasalaman'ny olona rehetra dia naka fepetra ny holafitry ny mpitsabo ka namoaka fifanarahana mba hanentanana ny tsirairay hamantatra ny olona hanankinana ny fahasalamana. Mifampiankina ny andraikitry ny olona hitsabo anao sy ianao tsaboina. Ny anjara andraikitry ny mpitsabo : Fanabeazana ara-pahasalamana, manazava ny fomba hitandroana ny fahasalamana, fa tsy mandresy lahatra, izany hoe maneho hevitra ka ny olona manoloana azy no tompon'ny fanapahan-kevitra farany.
♦ Nandaha-teny nandritra ilay fihaonambe karakarain'ny firenena mikambana momba ny toe-tany na ny COP-27, tanterahana any Ejipta ny Filoha malagasy. Nitaky ny amoahana ny anjaran'i Afrika amin'ilay tahiry maintso nampanantenaina ny filoha... ♦ Hampihatrano ny fivorian'ny filohan'ny antenimieram-pirenena aty amin'ny faritry ny ranomasimbe Indiana anio ny Antenimieram-pirenena Malagasy. Nosy miisa dimy no handray anjara... ♦ Atahorana hihamafy ny fahasahiranana sy ny fahantrana mianjady amin'ny malagasy hoy ny firaisankinan'ny mpikamban'ny filan-kevitra ambon'ny tetezamita teo aloha. Tokony hapetraka eto Madagasikara ny amehana ara-toe-karena sy ny sôsialy ary ny drafitra fanarenana ny toe-karena hoy ny ACS...
09 nôvambra — Miaramila romanina i Théodore ary anisan'ireo martiry fanta-daza any amin'ny Fiangonana Tatsinanana izy. Teraka tao Syrie tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo izy. Tandremana tsy hifangaro amin'ilay Masindahy Théodore tsaroana ny 07 febroary ity resahana etoana ity, satria samy miaramila, ary samy martiry izy ireo.
Misy ireo mivavaka manao toy ny toetrana nifi-tsofa, teh hivavaka dia mivavaka ; tsy te hivavaka dia milentika any indray aloha. Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco