Notendren'ny Papa François androany faha 27 septambra 2022, ho Nonce apostolique eto Madagasikara i Mgr TOMASZ GRYSA.
♦ Hitohy ary tsy anavahana na iza na iza ny fanenjehina ireo tafiditra amin'ilay raharaha fanapohana solika, hoy ny ministry ny angovo sy ny akoran'afo omaly. Efa nisy fivarotan-tsolika nakatona, noho ity raharaha ity... ♦ Vao mainka miaina anaty fatiantoka ny JIRAMA amin'ny famokarana herinaratra. Efa lany sahady ilay vola fanampiana 500 miliara Ariary ho an'ity orinasam-panjakana ity, voafaritra tao anatin'ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna 2022... ♦ Hampiasa logiciel vitan'ny teknisiana malagasy ny CENI amin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy hanomboka amin'ny volana ôktôbra izao. Voalaza fa afaka hitsirika ireo anarana miverimberina na "doublons" io rafi-baiko io...
♦ Tsy hisy fanavahana fa tsy maintsy henjehina na iza na iza tafiditra tamin'ilay raharaha fanapohana akora hafa amin'ny solika, hoy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akroanafo, Ramaroson Andry... Ankoatra ny fisamborana dia efa nisy koa toby mpanijara solika nakatona... ♦ Nampahafantarina androany teny Alarobia, ny logiciel SIGLE, hampiasaina amin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Afaka hitsirika irao anarana miverimberina ao anaty lisitry ny mpifidy ity logiciel ity, hoy ny CENI. Tokony mbola hanafarana teknisianina avy any ivelina kosa ity logiciel ity, hoy ny antoko Malagasy Miara-Miainga...
♦ Mila hovaina ny lalàna mifehy ny fifidianana amin'ny taona 2023, hoy ny antoko HVM. Nambaran'ity antoko mpanohitra ity fa mampiahiahy ny fahaleovan-tenan'ny CENI ka mila ifampiresahana... ♦ Nihaona manokana tamin'ny filoha Joe Biden mivady ny filoham-pirenena malagasy sy ny vadiny. Anisan'ny voaresaka ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy i Etazonia... ♦ Nosamborina ilay miaramila miasa eo anivon'ny Fiadidiana ny repoblika, ka nitifitra sivily teny Ankadindratombo. Mandeha ny fanadihadiana momba azy amin'izao...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco