Fositra iray lehibe mamotika ny tokantrano ny fampirafesana. Rivotra mitsoaka ary tena mahazo toerana izany ankehitriny. Ireo endrika telo isehoan'ny fampirafesana : ny ho an'ny filan'ny nofo fotsiny ; ny ara-pihetseham-po ; ary ny anaty tambazotran-tserasera. Ankoatra ny ady tany dia ny fisaraham-panambadiana no maro eny amin'ny Fitsaràna... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

Ny saina mahiratra araka ny fikarohan'ny olombelona ary tsy mivaona fa sady lavorarian'ny fampianaran'i Kristy no manampy antsika hahazo ireo zava-misy ireo. Miankina be dia be, amin'ny firoborobon'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ny hafinaretan'ny olona sy ny fokonolona. Ny Mpivady no fototra voalohany mampirindra ny fiaraha-monina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

Hatramin'ny fiandohan'ny tantarany mihitsy ny Eglizy no efa niezaka nanambara ny hafatr'i Kristy tamin'ny fampiasana ny fomba fihevitra sy fitenin'ny firenen-tsamihafa. Miohatra amin'ny fivoarana misy, izay tsy azo ihodivirana dia mandroso miaraka amin'izany koa ny fandraisan'ny Eglizy izay fivoarana takian'ny toetr'andro sady mifanohana amin'ny Vaovao Mahafaly... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny anjara-raharahan'ny Eglizy amin'izao androntsika izao" iarahana amin'i Mgr. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

Raha diso amin'ny adidy ara-nofo ny olombelona dia diso eo anatrehan'Andriamanitra. Ny Kristiana dia olom-pirenen'ny tany sady olom-pirenen'ny Lanitra. Amin'ny alalan'ny fihetsika andavanandro no anehoana finoana. Ny eveka dia mitarika ny Eglizy ka adidiny, otronin'ireo pretrany ny hitory ny hevitr'i Krisy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny anjara-raharahan'ny Eglizy amin'izao androntsika izao" iarahana amin'i Mgr. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...