"Teny" mihitsy no naharian'Andriamanitra an'izao tontolo izao, araka izay voalaza ao amin'ny Jenezy, mitantara ny nahariana an'izao tontolo izao. Tamin'ny nahariana an'izao tontolo izao dia niteny Andriamanitra ary izay noteneniny sy tiany dia nisy. Isaky ny faharian'Andriamanitra tao anatin'ny 6 andro misesy dia nofarany hatrany tamin'ny hoe "ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany" ... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Andriamanitra manambara ny tenany : Tsy ampy fotsiny ny milaza sy te hampahafantatra hoe iza "Andriamanitra ", fa te hiombona tanteraka amin'ny olombelona Andriamanitra, ka hatanteraka izany dia miseho tsikelikely amin'ny olombelona Andriamanitra maneho ny tenany. Andriamanitra no mpahary ny olombelona, ary mbola Andriamanitra ihany koa no mpamonjy, dia izay mino azy... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Dei dia midika Andriamanitra, ary ny Verbum dia teny, ny Dei Verbum kosa dia azo adika hoe tenin'Andriaminitra. Andriamanitra miteny (Andriamanitra Ray), ilay tenin'Andriamanitra tonga nofo (Jesoa Kristy), ilay teny no lasa soratra dia ny Baiboly. Ny Eglizy dia mampianatra ny Tenin'Andriamanitra izay sarotra azo, raha tsy misy manazava, sy mampianatra eny na nadika tamin'ny tenim-pirenena maro... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Ny famonjena ny olona rehetra dia efa vitan'i Jesoa Kristy tamin'ny nanolorany ny tenany teo amin'ny hazofijalina tao Kalvary, famonjena ny olombelona rehetra tsy ankanavaka ; ny fampiaran'ny tsirairay avy izay sorona nataon'i Jesoa izay, manana ny safidy ny tsirairay ho handray sa tsia izany famonjena izany, izay no ambara hoe famonjena ny tsirairay (rédemption subjective)... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...