Ry Andriamanitra Rainay, manampy anay Ianao, ary ny herinao no mampitombo ny voa hafafinay amin'ny tany amin'izao fotoam-pamafazana izao ; fantatray fa tsy ampy asanay, ka enganie Ianao tompon'ny fanambinana mba hatonga ny vokatra ho feno fatra. Arotsahy amin'ny vahoakanao ny tso-dranonao fa rehefa Ianao no mitsimbina dia mahavokatra ny tany, ka hisy hiderainay ny anaranao sy hankasitrahanay.... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny fampianarana momba ny Litorjia dia tokony ho isan'ny taranja fototra, amin'ny ambaratonga rehetra amin'ny fianarana ara-pinoana. Maha izy ny Eglizy ny Litorjia, tokony hampianarina amin'ny fomba teôlôjika sy ara-tantara (niandohany, heviny, fivoarany) Tsy zavatra ivelan'ny fianarana ara-pinoana ny Litorjia fa taranja fototra amin'ny fampianarana teôlôjika... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.

Alahady faha-33 mandavantaona — D — Ho avy ny farandro ary hotsarain’Andriamanitra isika - Miambena ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’olona ianareo. Mbola hifarana ny tantaran’izao tontolo izao, indray andro any, hanjakan’i Kristy mandrakizay amin’ny olona rehetra. Madiva hifarana ny taona litorjika izay mampitodika antsika amin'ny farandro. Andriamanitra dia tsy mandao amin'ny fotoan-tsarotra, ny faharetana amin'ny finoana no fanalahidin'ny famonjena, tsy amin'ny hery fa amin'ny fahatokiana an'Andriamanitra mitohy...

Ny fandraisan'ny vahoaka anjara mavitrika, tsy hanavahana. Ny Eglizy dia maniry fatratra mba ny rehetra,olon-drehetra, dia handray anjara amim-pinoana sy amim-panahy amin'ny fankalazana Litorjika ; satria izany no loharanon'ny fiainam-panahy kristiana. Ilaina ny fiofanana mba hahafahana mandray anjara, sao dia manaonao foana, mba mahalala ny fizotra ny Litorjia... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...