Ny Sacrosanctum Concilium no fo sy fototra teolojia nitarika ny fanavoazana rehetra niseho tao amin'ny Litorjia taorian'ny Konsily Vatikana-II. Ny fanavaozana ny Litorjia dia tsy midika hanova amin'ny tsy antony, fa hanavao amin'ny fanajana ny lova masina sy ny foto-pampianarana marina : hanatsara ny fahatakarana sy fandraisan'ny vahoaka anjara, hanala izay zavatra tsy ilaina... Katesizy momba ny fanainga ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.

Tokony hohajaina sy hovelomina ny fombam-pivavahana lova-panahy (vavaka Rosaire, Lamesa, Hasivin'andro, fiatahana masina...), raha tsy manelingelina ny Litorjia. Ny Litorjia dia mitohy amin'ny asan'i Kristy, indrindra amin'ny Paka. Kristy dia miasa ao amin'ny Fiangonana ; ny Fiangonana no vatany, manohy ny asan'ny Famonjena... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Na loharanon'ny fiainam-panahy aza ny Litorjia dia tsy voafetra amin'izany ihany ny fiainam-panahy kristiana. Misy ny vavaka manokana, ny fandinihana masina, ny asa fiantrana, izay mitarika sy mivelatra avy amin'ny Litorjia. Ny mpino dia antsoina ho olon'ny Litorjia amin'ny fiainany manontolo. Ny fiainam-panahy dia tsy amin'ny fotoana fivavahana fotsiny... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Mba hahafahana migoka ny fahasoavana amin'ny Litorjia dia ilaina ny fahavononana sy fo mahitsy ; izy mihitsy no lasa mizara fahasoavana. Ny Litorjia dia miteraka vokatra marina raha mandray anjara amim-pinoana sy amim-panahy ny mpandray anjara. Ny fahasoavana dia mitaky fanomanana (finoana, fitiavana, fibebahana)... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...