Andriamanitra Ray no nifidy ny vahoakany sy ireo olona tiany manokana ary ireo nataony hitondra ny vahoakany. Raha ny Testamenta Vaovao no jerena dia i Jesoa Kristy no antony voalohany anaovana ilay fandanjalanjana satria ao aminy no ahatanterahan'ny zava-drehetra, ao no ahitana ny fahasoavan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Alakamisy 27 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra, mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 31-35

26 ôktôbra — Avy any antioche i Evariste, ary jody ny rainy. Tsy dia fantatra loatra ny fotoana nibebahany ho kristianina, sy ny hoe ahoana no nahatongavany tao Roma. Ny fantatra dia hoe pretra izy, ary nanohana ny mpino krisitianina tamin'ny oha-piainana sy ny fitiava-namana ary torolalana samihafa.

Ny fahaiza-mamantatra manokana ireo fironana na aingam-panahy ao anatin'ny tena hoe avy amin'Andriamanitra sa avy amin'ilay demony, mba hahafahana manaraka ny sitrapon'Andriamanitra eo amin'ny fiainana dia fandanjalanjana. Hoy Md Paoly Apôstôly : an'isan'ireo karisma na fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy masina ny fahaizana mandanjalanja. Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...