Mila miresaka sy mifanakalo hevitra matetika ny zanaka sy ny ray aman-dreny. Atao izay hahatsapan'ny zanaka fa tia sy manohana azy i dada sy i neny, izany tsy midika hoe mampihanta azy. Raiso toy ny namanao akaiky ny zanaka, raiso toy ny olona misaina sy manomboka efa lehibe. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.
Zoma 30 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 13-16
29 septambra — Tsaroan’ny Fiangonana amin’ity daty ity ireo arakanjely indrindra fa i Michel, i Gabriel, ary i Raphaël. Misy antoko sivy manko ireo anjely, ary misy antana-tohatra telo. Dia eo ilay antsoina hoe : “Anges, Archanges, ary ny Principautés”.
Mifameno mandrakariva ny fanabeazana omena ao an-tokantrano sy ny omen'ny namana eny anivon'ny fiaraha-monina. Anjaran'ny ray aman-dreny niteraka no manampy ny zanany hahafehy tsara ireo sy manampy azy hahay hanavaka ny namana tsara sy ny naman-dratsy. Raha tsy izany dia handringa ny fiainan'ilay zanaka ka na haditra izy na hikombona tsy afaka hivelatra. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco