02 ôktôbra — Ankalazain'ny Fiangonana amin'ity daty ity ny fetin'ny Anjely Mpiambina satria mino isika fa izy ireo dia nomen'Andriamanitra iraka sy fahefana ho antsika olombelona. Tsy misalsala ny amin'izany isika satria hitantsika ao amin'ny tenin'Andriamanitra izany. Eo ihany koa ny fampianaran'ireo Mpampianatry ny Fiangonana sy ireo olomasina ary ny fahefan'ny Fiangonana.
Tiana ny zanaka ka atao izay hahatsapany ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana ao an-tokantrano sy y lanjan'ny namana. Mila mianatra mandanjalanja sy mahay manavaka ny namana tsara sy ny naman-dratsy ny zanaka. Hajaina ny safidin'ny zanaka mba hitomboany ary mba hahaleo tena izy. Ankaherezina ny ankizy fa tsy disoina raha misy tsy takan'ny sainy. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.
Alahady 2 ôktôbra 2022 — Alahady Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 5-10
Sabotsy 1 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 17-24
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco