Miasa ao amin'i Masina Maria ny Trinité Masina ho fanatanterahana sy fandinihina ny antso. Mila mivavaka isika ho famantarana ny antso, mitarika ho amin'ny fankatoavana. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alarobia 17 aogositra 2022 — Herinandro faharopolo mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 1-16
16 aogositra — Mpanjaka voalohany tao Hongrie i Masindahy Étienne, avy amin’ny dinastie Árpád izy, Vajk no tena anarany, zanak’i Géza. Nibebaka niaraka tamin’ny rainy izy teo amin’ny faha-10 taona, izany hoe ny taona 985, ary nandray ny anarana hoe Étienne, na István amin’ny fiteny hongrois, tamin’ny batemy.
Araka ny voalaza ao amin'ny Soratra-Masina : lehilahy no eo amin'ny fisoronana. Zava-dehibe ny nataon'i Jesoa, anefa afaka mandalina ny tenin'Andriamanitra ny vehivavy. Asan'ny Trinite Masina ny antson'Andriamanitra. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco